- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnjanahary : Nanjavona ny fiara rehefa avy niantsena

Anjanahary : Nanjavona ny fiara rehefa avy niantsena

Niantsena ny tompony, izany no nitondrany ilay fiara. Izy io dia sady fiarakaretsaka ihany saingy tamin’io dia tsy nanao izay asa izay fa kosa nentina niantsena. Napetraka tsara teo amin’ny manodidina ny Mascar eo Anjanahary izany ny marainan’ny alarobia teo. Vita ny fiantsenana efa tsy teo intsony ny fiara. Nanontaniana ny manodidina dia tsy nisy nahatsikaritra ny zava-nitranga. Teo ihany dia nampandre ny mpitandro ny filaminana ny tompony ary raikitra ny fampitàna ny mombamomba ny fiara tamin’ny birao sy barazy maro. Tsy naharitra ela dia nahitam-pahombiazana izany fiasa izany. Iny alarobia iny ihany dia efa hita tany Ambatobe ilay fiara. Tsy mbola nisy na inona na inona niova ary ny laharana koa dia mbola ny azy taloha ihany. Avy hatrany dia nandeha ny fisamborana ireo olona roa tao anatiny. Teo amin’ny toerana mangingina izay fasana avokoa ny manodidina azy no nahitàna ilay fiara. Tsy mbola tena fantatra izay tena tanjon’ireto mpangalatra tamin’io fiara io. Matetika izy ireny no ovain’ireo faran’izay haingana ny bikany mba tsy hahafantarana azy intsony. Amin’ny karazany toa io dia miasa anaty tambajotra ireo olon-dratsy ary misy ny mpanova ny taratasy fotsiny, ny sasany mikirakira ny fanovàna ny endriky ny fiara ary ny ambiny mivarotra. Efa betsaka ny toy izany. Misy koa anefa ireo mpanao ratsy no « manaboridana » ny fiara dia amidy amin’ny antsinjarany ny piesy. Io koa dia efa misy mpandray ny entana ary tsy misy hahalalàna mihitsy hoe taiza na taiza ny niaviany. Tena misy eto an-drenivohitra ny mpangalatra fiara. Ny faramparany izay nitranga aza dia ireny fiara tsy mataho-dàlana sy raitra ireny no nalain’ireo olona. Tsy hita raha tsy tany amin’ny faritra ny iray tamin’ireo ary efa novarotàna indroa miantoana. Izany karazam-piara izany anefa dia tsy voavoha na velona mora foana satria efa misy « puce » mifandraika aminy. Saingy mbola vitan-dry zalahy ihany ny nangalatra azy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici