Nitombo isa indray ireo olona nilaza fa nahita ity karazana biby hafahafa, mampitahotra ny mponin’Antananarivo ity. Teny Anjanahary, ny alatsinainy hariva lasa teo dia nisy ny olona nilaza fa nahita karazana biby hafahafa, mihinana fatin’alika ao anaty daba-pako. Vetivety foana dia nahoraka tao anaty tambajotra sosialy ity resaka ity. Ny filazan’ireo olona nahita sy nanao tazan-davitra dia toa hoe biby lehibe kokoa noho ny alika no tazan’izy ireo ao anaty fitoerana dabam-pako. Hita mazava fa tsy alika velively ilay izy, hoy ireo olona satria dia tazana mazava amin’ny jiro. Misy andrin-jiro rahateo eo akaikin’ilay fitoeram-pako. Ny mahalasa saina ny maro ihany dia vao tamin’ny fito ora hariva io andro io. Mbola maro dia maro ireo olona no mifanaretsaka eny amin’iny toerana iny. Saika tsy nisy nahatsikaritra zavatra hafahafa avokoa ny rehetra tamin’io fotoana io. Tsiahivina fa araka ny filazan’ireo olona milaza fa efa nifanehatra tamin’ity biby ity fa vao mirotsaka fotsiny ny alina dia mivoaka izy io.
nangonin’i m.L