Be mpahafantatra izy noho ny fanampiany ny namany ary koa amin’ny maha-mpitsabo azy. Potika tanteraka ny tarehiny ary tsy nisy nahafantarana azy intsony…
Tsy fantatra intsony ny tarehiny, satria niongotra tanteraka ny hodi-tavany ary hatramin’ny taolana aza dia voakiky ihany koa. Raha ny fijery voalohany, dia mety ho notondrahana asidra no nahafaty an’i Nambinina. Goaka ihany koa teo amin’ny tendany ary tena niongotra hatramin’ny foto-delany aza. Omaly maraina tokony ho tamin’ny enina ora no nisy nahita nitsirara teo ivelan’ny fasana, tetsy amin’ny « cimétière » Anjanahary i Nambinina. Resevera taxi-be sendra nandalo no nahatsikaritra ny fiara peugeot 206 avy lavitra, nisokatra fotsiny ny varavarana. Nanintona ny masony izany ary nahatonga azy nijery ifotony. Talanjona tanteraka ilay lehilahy raha nahita ity razana ; izay hita avy hatrany dia tsikaritra fa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Nampandrenesina ny pôlisy misahana ny heloka bevava ; izay nanao ny asany avy hatrany. Nentina teny amin’ny tranompaty ny razana ary ny andron’ny omaly ihany dia natao ny « autopsie ». Raha ny filazan’ny namany, dia mbola niresaka tsara sy nifandefa hafatra fohy amin’ny tambajotra sosialy i Nambinina. Tsy nisy soritra mihitsy na zavatra nampatahotra ny notantarainy. Ny hany nanaitra kely fotsiny dia ny filazany fa « mankaleo ity fiainana ity ». Saingy toa ny olon-drehetra izay mitaraina amin’ny fiainana fotsiny ihany no nandraisan’ny nanamy izany. Taorian’izay dia mbola nivoaka nandehandeha niaraka tamin’ny namana hafa i Nambinina. Nandeha tany amin’ny karaoké iray tetsy Isoraka izy ireo. Koa satria i Nambinina irery no nitondra fiara, nateriny tsirairay ireo namany efatra taorian’izay. Ny farany naterina dia tetsy Andravoahangy, raha araka ny vaovao azonay. Salama tsara ary tsy nisy marika mihitsy fa hisy hamono, taorian’izay rehetra izay. Avy teo Andravoahangy izany izy, raha araka ny tombatombana, dia saika hihazo ny toeram-ponenany eny Amboditsiry ary nidina an’iny Anjanahary iny. Dia heverina fa teny amin’izay no nitranga ny famonoana azy. Tsy nisy very ny vola tao anaty paoketrany. Tsy voaendaka ihany koa izy, satria mbola teny an-kodiny avokoa ny akanjony ary hatramin’ny akanjo ambony nanaovany aza dia mbola hita tao anaty fiara. Torak’izany ihany koa ny paoketra nisy ny volany izay hita, mety ho natsipy, teo ivelan’ny fiarany ihany. Tsy nisy nipika ny tao anatiny. Hita tao avokoa ny lokomena, ny sigara sy ny kojakoja isan-karazany izay fampiasany. Iza loatra no nahavanon-doza sy nahavita nanongotra ny tarehiny ? Raha tsy hoe asidra mantsy no nampiasaina, dia heverina fa tena nongotan’ireo mpamono olona tamin’ny zava-maranitra tanteraka ny tavan’i Nambinina. Omaly ihany dia nosokafan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava ny fanadihadiana. Mbola mipetraka ihany koa ny fanontaniana ny amin’ny antony nahitana ny razana tao amin’ny toerana fandevenana tao Anjanahary. Novonoina ve dia nentina tamin’ny fiarany ihany dia nariana teo ? Sa kosa tao anatiny tao mihitsy no notontosaina ny famonoana azy ? Omaly hariva no navoaka ny tranompaty ny razana, taorian’ny « autopsie », ary nentina teny Amboditsiry amin’ny fiandrasana azy. Mpitsabo eo anivon’ny dispansera etsy Manjakaray i Nambinina, 27 taona, ary be mpahafantatra noho izy tia namana sy tia manampy olona. Maro koa ny mahafantatra azy ho sarim-bavy ary tsy nanafina izany rahateo izy tamin’ny fiainany andavan’andro. Betsaka no nivarahontsana raha nahita ny sary momba ity heloka bevava ity ary miandrandra fatratra ny fahaizan’ny mpanao fanadihadiana, mba hahitana ny marina.
Didi R.