Tsy mihoatra ny iray minitra ny hangalan’ireo olon-dratsy izany. Mandeha tsiroaroa izy ireo ka ny iray miditra ao an-tokontany izay matetika ipetrahan’ny kaonteran-drano ary ny iray kosa mitily eo amin’ny vavahady raha sendra misy miditra tampoka na manakaiky. Mitondra gony kely izy ireo ary miditra avy hatrany, toa ireny efa fantany ireny ny toerana. Tetsy Anjanahary omaly dia tokantrano roa no very io fitaovana io kanefa trano mifefy avokoa ary misy vavahady. Nirongatra tato ho ato io karazan-kalatra io ary ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe hatao inona indray izany ny kaonteran-drano? Toa efa mba azon’ny besinimaro vidiana ihany mantsy ny vaovao amin’izy ireny eny an-tsena. Sa ve ny vy aminy indray no manintona ireo olon-dratsy ary amidiny amin’ny kilao? Manaraka izany koa, tsy afaka mametaka amin’izao fotsiny ny olon-tsotra fa tsy maintsy maka teknisiana avy amin’ny Jirama. Dikan’izany, raha kaontera efa niasa dia tokony ho mailo avy hatrany izany fa mety ho halatra io. Rehefa vita ny halatra dia miraraka fotsiny ny rano eo an-tokontanin’olona ary eo matetika vao taitra ka mijery ifotony. Ho an’ny tokantrano iray tetsy Anjanahary dia voarakitry ny “camera de surveillance” ny fandehan’ny halatra rehetra. Misy ny fitoriana ary mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy ankehitriny. Tsy maintsy avy amin’ny fiaraha-monina ihany no hahatratrana azy ireo malaky. Roalahy miendrika ho mpivaro-mandeha ary mitondra gony fotsy, toa ireny hividy na hivarotra entana tonta ireny ny fanaon’izy ireo. Mitily ny misy ny kaontera izy ireo rehefa tafiditra an-tokontany. Jereny akaiky koa ny momba ny vavahady. Hiverenany amin’ny andro antoandro amin’izay amin’ny andro manaraka. Dikany, tena efa voaomana tanteraka ny halatra ary mila mailo ny olona amin’ireo mpitsikilo sy mpihainohaino eo amin’ny manodidina.
D.R


