- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjanahary : Ramatoa marary maty vokatry ny fahatapahan-jiro tampoka

Anjanahary : Ramatoa marary maty vokatry ny fahatapahan-jiro tampoka

Tranga nampahalahelo ity nitranga tamin’ny fianakaviana monina etsy Anjanahary ny alin’ny Alarobia teo. Renimpianakaviana iray no namoy ny ainy vokatry ny fahatampahan-jiro tampoka niseho teny amin’iny faritra iny. Araka ny fanazavan’ny finakaviana niharam-boina dia nisy andrin-jiro nisy fahasimbana tao amin’ny fokontany Anjanahary IIO io alina io. Izany dia nitarika fahatampahan-jiro teny amin’ny manodidina rehetra nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any. Ity Ramatoa voalaza ity anefa dia marary asiana “oxygène” eo am-pandriana noho ny fahasemporana mahazo azy. Voalaza fa tsy afa-miaina mihitsy izy raha tsy misy “oxygène” mipetraka tsy tapaka eo amin’ny orony. Manoloana izany dia efa misy milina kely mpamokatra herinaratra natao fiandry mba hisorohana ny tranga tsy ampoizina toy izao niseho io alina io izao. Vao tapaka ary ny jiro dia nohezahana novelomina ilay miliny mba hiverenan’ny herinaratra mampandeha ilay oxygène. Velona ary nampiasaina tokoa ilay milina, saingy indrisy anefa fa sempotra tanteraka ilay Ramatoa ary dia tsy tana ny ainy na dia natao aza izay famonjena rehetra azo natao. Tokony ho dimy minitra taorian’ilay fahatapahan-jiro no niseho izany rehetra izany. Araka ny fanazavan’ireo fianakaviana niharam-boina moa dia tany amin’ny 9 ora alina tany ho any vao niverina nirehitra indray ny jiro teny amin’iny faritra Anjanahary iny io alarobia io.

Tsy delestazy

Raha zohina ny fizotran’ity raharaha ity dia azo lazaina fa tsy dia misy ifandraisany loatra amin’ny delestazy izay ampiharin’ny orinasa Jirama loatra ity loza ity. Ekena fa misy tokoa ny mimenomenona ny amin’ny fisian’ny olana terakiny delestazy any amin’ireny toram-pitsaboana ireny ka isan’ny tena voa mafy amin’izany ireo marary mila fitsaboana miankina amin’ny fampiasana herinaratra. Vao tsy ela akory izay no hita teny amin’ny tambanjotran-tserasera Facebook ny fitarainan’ny olona iray nilaza fa maty teo ambony fandriana fandidiana (“operation chirurgicale”) tao amin’ny toeram-pitsaboana iray ny havany  noho ny delestazy izay tsy nampoizina no nitrangany. Tsy azo odiana tsy hita ihany koa anefa ny tsy fahatomombanana hita eny amin’ireny foto-drafitrasa mpitondra herinaratry ny Jirama ireny ka mitera-doza toy izao nitranga teny Anjanahary izao.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici