- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversAnjanahary : Trano hazo 20 indray kilan’ny afo, olona iray namoy...

Anjanahary : Trano hazo 20 indray kilan’ny afo, olona iray namoy ny ainy

Niredareda ny afo tetsy Anjanahary Besarety, ny sabotsy teo. Trano hazo mahatratra hatrany amin’ny 20  tany no indray kila hotohoton’ny afo, trano biriky dimy, may amin’ny ampahany. Olona iray no namoy ny ainy ary tafakatra an-jatony mahery ireo traboina.

Setroka nijolofotra, lelafo manaka-danitra. Tahotra, horohoro, tebiteby, ary ranomaso no niainan’ireo mponina teny amin’iny faritra Anjanahary Besarety iny, ny tolakandron’ny sabotsy lasa teo. Niainga tao amina trano hazo iray ny afo, izay tsy fantatra hatreto ny antony, fa raha ny angom-baovao azo teny an-toerana dia vokatry ny fifampikasohana tariby nitondra herinaratra. Satria saika trano hazo avokoa ny manodidina dia niitatra vetivety ny fahamaizana. Nahazo ny trano teo ankilan’ity nirehitra. Tsy nisy minitra vitsy akory dia efa trano manodidina ny dimy tany ho any no nataon’ny afo kilalao ary niha-nitombo isa hatrany izany, noho ny toetr’andro. Efa velona ny fanairana teny an-toerana ary samy nikoropaka nanao izay ho afany tamin’ny tohivakana amin’ny famonoana afo tamin’ny alalan’ny « seau » ireo fokonolona. Fotoana fohy taorian’io no tonga ireo mpamonjy voina, saingy somary nanano sarotra ny elakelan-trano mihazo ity toerana nisian’ny loza ity. Tao anatin’izany fikoropahana rehetra izany, dia niha-nahazo vahana hatrany ny afo, nandevona ireo trano, izay efa nahatratra am-polony maro tany ho any. Zara raha naharay ny fitafiana sy izay entana kely azo noraisina sisa ireo niharam-boina. Marihana, fa nisy trano biriky teo amin’ny manodidina ihany koa may tamin’ny ampahany vokatry ny herin’ny afo hatrany.

Fa ankoatr’izay, andrin-jiron’ny Jirama iray no nolelafin’ny afo ihany tao anatin’io fahamaizana io. Nianjera avy hatrany ity farany. Mbola tsy tapaka moa ny herinaratra tamin’io fotoana io. Lehilahy iray tokony ho 50 taona mahery tany ho any no voalaza fa nokasohan’ilay tariby nitondra herinaratra mahery vaika, nianjera avy tamin’ilay andrin-jiro. Nezahana nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana moa ity farany, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy, noho ny fijananon’ny fony tampoka. Naharitra adim-pamantaranandro maromaro ny famonoana afo sy ny fifehezana izany nataon’ireo mpamonjy voina sy ny fokonolona. Ary efa nirotsaka mihitsy ny haizina vao maty tanteraka ny afo. Tombanana ho an-jatony maromaro any ho any ireo traboina, very fananana tao anatin’ny indray mipi-monja sy tsy manan-kialofana. Efa tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nandray an-tànana ireto farany moa ny tompon’andraikitra isanisany avy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici