- Publicité SW45 -
vendredi, janvier 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjanahary : Vehivavy voaendaka tao anaty fiara

Anjanahary : Vehivavy voaendaka tao anaty fiara

Misy ireo mpitandro filaminana manao fisafoana.

Tao anaty fitohanana lava reny, efa somary maizamaizina ny andro, vehivavy iray voaendaka tao anaty fiara teny amin’ny faritra Anjanahary teny ny alakamisy teo. Ilay finday tsara tarehy teo am-pelatanan’ilay vehivavy no nokendren’ilay jiolahy. Tsy fantatra na firy no isany fa tao anatin’ny fotoana fohy nisehoan’izany. « Toy ny tselatra no nitsoriahan’ilay jiolahy ilay finday. Ary nitsoaka tany anaty elakelatrano tsy nisy nanaraka », hoy ny fitantaran’ny niharam-boina. Hatraina ary tsy nahetsika ity lasibatra. Toy ny niharaka kely ary tsy tompon’ny tenany tao anatina minitra vitsy ilay tovovavy. Voalaza fa tsy niakatra hatramin’ny farany ny fitaratra noho ny hafanana. Nangasihasy teo ilay tovavavy sy ny olona niaraka taminy tao anaty fiara. Ny olona tety ivelany nahita izany tsy nanao na inona na inona. Nilaza ilay lasibatra fa hametraka fitarainana momba ny fananany very. Amin’ny tranga toy itony matetika very an-javony ny finday very. Kely ny irika mety ahitana azy. « Mazana tsy mametraka fitoriana ireo very finday. Ho an’izay manao izany kosa anefa, indraindray tsy ampy ny singa mety ahitana indray ny finday. Toy ny fahalalana ny laharana IMEI. Mila feno tanteraka anefa izany mba hahafahana manaraka ilay finday. Misy kosa ny efa hita izany », hoy ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana. Mampitaraina. Mampitaraina ny mponina eny amin’ny manodidina ny firongatry ny fanendahana eny amin’iny faritra Anjanahary iny. Tsy eny ihany anefa fa amin’ny faritra maro toy ny eny Ambatomitsangana, Ankadifotsy, Andohatapenaka sns. Misy ireo mpitandro filaminana manao fisafoana saingy mandalo ihany indrindra amin »ireo faritra tena mamay. Efa hain’ireo jiolahy izay manao andiany ihany koa rehefa manao ny asa ratsiny. « Matetika tsy olona avy eny an-toerana ireo jiolahy fa avy any amin’ny faritra hafa no manao ny asa ratsy m. Efa mahay ny toerana ihany koa anefa ireo ary mitily izay lasibatra », hoy ny fanazavan’ny eny amin’ny fokotany. Hita tokoa ireo polisy sy miaramila manao fisafoana. Fetsy anefa ireo jiolahy ary voalaza fa manao fanazaran-tena mihitsy manao io asa ratsy io. Eo ihany koa ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izay mampirongatra ny asa ratsy. Manentana ny rehetra mba ho mailo ny mpitandro filaminana ary hampandre azy ireo haingana raha misy tranga miseho. Eo ihany koa ny tokony hametrahana fitoriana hatrany.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici