- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnjanamasina : Lasan’ny jiolahy ny karaman’ny mpiasa

Anjanamasina : Lasan’ny jiolahy ny karaman’ny mpiasa

Karama iray volana an’ny orinasa iray eny akaikin’Anjanamasina no nafijan’ny jiolahy mitam-piadiana. Faran’ny volana tamin’io ary raha ny fihevitry ny maro dia efa vita drafitra avokoa ity fanafihana ity. Fiara 4L no nentin’ireo mpanao fanafihana ary nibahana avy hatrany ny làlana rehefa teny an-dàlana tsy dia nisy olona firy. Navoaka ny basy ary nambanana tamin’izany ny mpamily sy izay tao anatiny. Raha ny fantatra dia vola 30 tapitrisa ariary latsaka kely  tao anaty sakaosy no lasa tamin’ity fanafihana amin’ny efatra ora hariva ity. Nandeha ny fikarohana ilay 4L ka teny amin’ny lalan’Ivato no nisy nitovy tamin’ilay fiara. Saingy rehefa natao ny fanadihadiana dia mitovy fotsiny ihany ireo. Notazonin’ny zandary aloha ny olona sasany tao amin’ilay 4X4 nitondra vola, mba hahafantarana izay mety ho ao ambadik’ity raharaha ity. Any amin’ny tany mandroso , tsy dia misy loatra ny fandrobana volabe toa izao, noho ny antony tsotra : efa mandeha banky avokoa ny fivezivezin’ny vola ary tsy mila vola an-tànana intsony fa karatra dia efa mety amin’izay mety hampiasana vola…

Nangonin’I D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser