Nitifitra olon-dratsy ny…jiolahy. Avy nivarotra rongony ny olona roa izay lehilahy sy vehivavy no nifanehitra tao anaty maizina tamin’ andian-jiolahy. Nisy vola manodidina ny 400.000 ariary tany amin’ilay lehilahy ary nisy rongony mbola ao anaty fonosana marobe kosa tany amin’ilay vehivavy. Tsy nampoizina ny zava-nitranga, satria nendahin’ireo andian-jiolahy izy roa. Mety nisy ny fifamaliana tao anatin’izany ka nahatonga ny ankilany nampiasa ny basy teny aminy. Voa teo amin’ny tongony ilay vehivavy nitondra rongony. Samy tsy namelan’ireo jiolahy avokoa na ny vola teny amin-drangahy na ny rongony teny amin-dramatoa. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ny naratra mba ho fanavotana ny ainy ary efa tsy misy atahorana intsony ny aminy nanomboka omaly. Mazava fa resaka halatra no tena anton’ilay herisetra. Na izany aza anefa, dia tsy nesorin’ny mpitandro ny filaminana ihany ny mety hoe ady amin’ny samy mpanao “bizna” rongony no niseho. Ny anton’izany, dia noho ireo olona roa izay efa nisy nanaraka tao anaty maizina tao. Raha io kisary faharoa io no mitombina dia efa toa ireny any amin’ny kartie maloto na “ghetto” any Amerika ireny, ny fiainam-piaraha-monina eny ambany tanàna…
D.R