Tratran’ny loharano ny lakamby iray nandeha teny amin’ny reniranon’i Betsiboka, tany amin’ny kaominina Ambalajia, ny maranan’ny asabotsy lasa teo. Ankoatra ilay vehivavy talen-tsekoly ao amin’ny Epp ao Anjiakely atsinanana tsy hita popoka, dia lehilahy iray no efa hita faty, hatramin’ny harivan’ny alahady. Ankoatra ny mpandeha miisa enina, anisan’ireo lasan’ny rano tamin’io lakana io. Miara-misalahy amin’ny fikarohana an’ilay talen-tsekoly tsy mbola hita ny mpitandro ny filaminana any an-toerana sy ny mponina. Misy amin’ireo no miroboka ao anaty rano. Mitety ny sisin’ny ranon’i Bestiboka, sao misy fatin’olona navarin’ny rano any ho any. Mitaona olona sy entana mivezivezy eo amin’ny reninon’i Betsiboka ity lakamby ity. Mpiantsena sy andian’olona avy ao Anjiakely atsinanana hihazo an’i Tsaramandroso no nentiny, tamin’io andro io. Zatovo sy olon-dehibe ny ankamaroan’izy ireo. 600m miala an’Anjiakely no niseho ny loza. Tratran’ny loharano teny am-povoandrano ny lakana. Izay no nampilentika sy nahalasan’ny rano azy. Niezaka nanavotra ny ainy ireo mpandeha valo tao anatin’ny lakana. Nisy ny nilomamo araka ny fanazavana azo avy any an-toerana. Nisitrika tao anaty rano teo am-pahatongavan’ny loharano ny vatan-dehilahy. Vatana managatsika an’ilay lehilahy iray no hitan’izy ireo avy tao anaty rano. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia valo eo ny isan’ny olona nentin’ity lakana tra-doza ity, tamin’io asabotsy maraina io. Mbola mitohy hatrany kosa ny fikarohana ataon’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana an’ilay vehivavy talen-tsekoly iray antsoina hoe « Binne » hatramin’ny nanoratanay ny lahatsoratra.
Ratantely