- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversAnjiakely-Maevatanàna : Lakana rendrika, lasan’ny rano ny entana an-tapitrisa

Anjiakely-Maevatanàna : Lakana rendrika, lasan’ny rano ny entana an-tapitrisa

Nitrangana lozam-pifamoivozana an-dranomamy, izay nahaverezana entana maro an-tapitrisany, tany Anjiakely avaratra, any amin’ny kaominina Ambalajia, disitrikan’i Maevatanàna, ny maraina ny Sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora. Lakana iray nitondra olona hiampita hamonjy tsena aty Maevatanàna, izay nitondra olona miisa folo sy entana maromaro amin’ny gony, no rendrika tao amin’ny reniranon’i Betsiboka, soa ihany fa avotra soa aman-tsara ny mpandeha rehetra tao anatin’ilay lakam-by, raha tapitra very  lasan’ny rano kosa ireto entana rehetra toy ny : katsaka, vary, lojy, voanjo no dobo an-drano. Araka ny vaovao farany azo dia lasa niakatra be ny reniranon’i Betsiboka hatramin’izao, raha tafakatra ihany koa ny mari-drefin’ny rano, izay nahatratra 8m ny halaliny.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici