- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnjiakely Ouest-Madiromirafy : Jiolahy roa voasambotra niaraka tamin’ny omby nangalarina

Anjiakely Ouest-Madiromirafy : Jiolahy roa voasambotra niaraka tamin’ny omby nangalarina

Jiolahy roa no voasambotry ny Voromaherin’ny dinam-pokonolona, tany Anjiakely Ouest, kaominina Madiromirafy, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny enina ora maraina. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny ben’ny tanàna any an-toerana, mikasika ny fanafihana mitam-piadiana niseho tany amin’ny faritra Ambatoboeny sy ny manodidina no antony nisamborana azy ireo. Fanatatra fa anisany nandray anjara mivantana mikasika ny asa ratsy izay niseho tao amin’io tanàna voalaza etsy aloha io izy roalahy. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny vorimaherin’ny dina sy ny mpikambana ao amin’ny dina ao Ambatoboeny ary teo ihany koa ny loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po izay nahatonga ny fahatratrarana. Nandeha ny fidinana ifotony tany amin’ilay toerana tokony hahitana an’ireto farany mantsy ireo vorimahery sy ny fokonolona tao Madiromirafy ka tratra tany tokoa izy roalahy. Rehefa natao ihany koa ny fisavana teo amin’ny manodidina dia nahitana omby folo tao anaty kirihatr’ala, izay efa tsara hafona. Ireo omby ireo dia voalaza fa avy nangalarina. Taorian’ny fakàna am-bavany azy teo anivon’ny « vorimahery » dia natolotra ny Zandary afakomaly ny raharaha.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici