- Publicité -
dimanche, novembre 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjiro : Ankizy nofanin’ny ray aman-dreniny ho dahalo

Anjiro : Ankizy nofanin’ny ray aman-dreniny ho dahalo

Olona fito no natolotry ny zandary teo anivon’ny fampanoavana, ny harivan’ny 18 jolay 2017.Ny telo mpanao ny asa fanafihana  miaraka amin’ny antsy sy vato,ka zaza 13 taona ny iray, ny roa kosa ray niteraka azy ireo efa samy 60 taona avokoa mpijery izay olona mety handalo, aorian’ny fanafihana ka mitondra ny halatra hoentina mody any an-trano ary  ny roa olona efa mpanao asa fivelomana amin’ny fivarotana akoho sy kisoa.Ny alin’ny alarobia 12 jolay 2017 tokony ho tamin’ny 11 ora no nanomboka ny nanao fanafihana tao amin’ny fokontany Ampanarianjony ao anatin’ny kaominina Anjiro.Tokantrano manana fiompiana akoho sy kisoa no lasibatr’ireto olon-dratsy ireto. Efa tamin’ny volana may 2017 teo no efa nisy tratra ny naman’izy ireo ary naiditra am-ponja noho izany . Mialoha ny hahatongavany tao amin’ilay tokantrano hotafihina, dia  tao amin’ny fokontany Mahasoa izay nandalovan’izy ireo no efa nanaitra olona ny fivovon’ny alika ka nahatonga ilay zokiolona 74 taona hitazana teo am-baravarankely no notorahan’ ireo jiolahy ny vato ka voa mafy ny masony havanana. Tsy naharitra izany ny zanany lahy ka nifanohitra tamin’ireo olon-dratsy ary dia naratra ihany koa. Mamoiny amin’ny toaka ny kisoa ary teo am-panaovana izany no izao saron’ny fokonolona izao.Miara-miasa akaiky ny vahoaka ao anatin’ny kaominina Anjiro sy ny zandary ao an-toerana ka tsy niandry ela dia izao tra-tehaka izao avokoa izay rehetra.

Cathy

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici