- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnjohy : Nirehitra ny « grenier »

Anjohy : Nirehitra ny « grenier »

Nisahotaka ny olona, omaly, raha nahita ny firehitry ny afo tao amin’ny trano lehibe iray misy rihana roa ary fitoeran’entana any amin’ny farany ambony. Teo ampitan’ny tsena eo Anjohy no nitranga izany hain-trano izany. Niantso ny mpamonjy voina ny manodidina, tokony ho mitataovovonana ary fiara lehibe telo mpamono afo no indray tonga teny an-toerana. Novakiana ny « plafond » ary notifirina rano avy taty ambany. Tsy naharitra dimy minitra akory dia voafehy tanteraka ny afo. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra, raha araka ny fanazavan’ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna. Niainga avy tamin’ny lakozia kely tany an-tokotany ny afo ary mety ho nentin’ny rivotra tao amin’ilay fitoeran’entana tany ambony indrindra. Izay aloha hatreto ny tombana, ny amin’ny mety ho niaingan’ny loza. Ambony toerana rahateo Anjohy ka mora mahazo rivotra izay nampiledaleda vetivety ny afo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici