- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnjoma Ramaratinina : Mpivavaka namonjy alim-bavavaka, notifirin’ny dahalo

Anjoma Ramaratinina : Mpivavaka namonjy alim-bavavaka, notifirin’ny dahalo

Asa aloha na sotasota na noheverin’ireo dahalo ho fokonolona mampandry fahalemana no nifanena taminy fa avy hatrany dia tifitra vary raraka no nasetriny tamin’ireo andian’olona nifanena taminy. Efa alina rahateo ny andro ka tsy nifankahitana loatra ny lalana. Andian’olona avy namonjy alim-bavavaka ireto nifanena tampoka tamin’ny dahalo ireto. Tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Anjoma Ramaritinina, no nitrangan’izany ny faran’ny herinanandro lasa teo. Raim-pianakaviana iray no naratra voan’ny bala teo amin’ny tongony. Araka ny loharanom-baovao, efa ren’ny fokonolona ihany ny fandalovan’ireo dahalo ireo ka nisy tamin’ireo vatan-dehilahy no nanao vela-pandrika. Dahalo iray no taraiky ka nifandrimbonan’ny ampahan’ny fokonolona. Voakapan’ny famaky ity farany ka  torana sy niakarapoka ary latsaka hatramin’ny basy teny an-tanany. Ny hamonjy ity namany no nahamaika ireo dahalo ary nitondra azy nandositra. Ilay basy kosa azon’ny fokonolona ary nomena ny mpitandro filaminana. Nisy tamin’ireo fokonolona no efa nandray ny laharan’ny basy, marihina fa basy mehery vaika izy io, ireny misy vavany roa ireny. Araka ny fantatra mantsy dia toa efa misy tompon’andraikitra mitady haka an’io basy io, izay lavin’ny fokonolona tanteraka. Ahian’ny fokonolona mantsy fa olona eo an-tanana ihany no mampiasa azy io, ampiasainy amin’ny ratsy fa tsy mba natao hiadivana amin’ny asan-dahalo.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici