- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnjoma Ramaritina : Manjaka ny joko, halatra omby mangingina

Anjoma Ramaritina : Manjaka ny joko, halatra omby mangingina

Tsy voatery manao andiany maro sy mirongo fiadiana ny asan-dahalo ao amin’ny faritra andrefan’i Vakinankaratra ao fa miseho amin’ny endriny maro. Mitovy amin’ireny rainizavona ireny ihany ity halatra omby antsoina hoe « joko » ity, ao amin’ny kaominina Anjoma Ramaritina, distrikan’i Mandoto. Voasokajy ho faritra mena rahateo iny faritra iny amin’ny asan-dahalo. Mandry tsy lavo ny mponina vokatry ny halatra omby, tsy misy fanafihana amin’ity paikady fangalarana omby ity fa joko no ataon’ireo dahalo. Alaina mangingina ny omby ao am-bala amin’ny alina, eny fa na dia mihidy an-trano aza ny omby dia tafavoakan’ireo dahalo. Tsy maka omby maro ry zalahy fa omby iray na roa izay tsara indrindra no alainy amin’izany. Tsy lasa 10 km miala ny tanana akory dia very ny dian’omby, fantatra mantsy fa avadikan’ireo mpangalatra omby ho hena avy hatrany ny omby, izany hoe vonoina raha vao miala lavitra ny tanàna.

Na dia manao izay ho tratrany aza ny mpitandro filaminana amin’iny faritra iny dia hita fa tsy mety rava mihitsy ity asan-dahalo ity. Tsy kely lalana rahateo ny dahalo.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser