- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAnjoma Ramaritina : Tanana roa notafihan’ny dahalo nitondra basy

Anjoma Ramaritina : Tanana roa notafihan’ny dahalo nitondra basy

Matetika  isehoan’ny fanafihana ny tanan’i Tsaramiakatra kaominina Anjoma Ramaritina  distrikan’i Mandoto. Efa ho isan’andro raha ny fantatra no andalovan’ny  dahalo  ity tanàna ity ary matetika mitodra faisana hatrany. Tamin’ny alahady lasa teo araka ny loharanom-baovao dia notafihan’ny andian-dahalo indray io tanàna io. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina ireo dahalo niaraka tamina fitaovm-piadiana mahery vaika no niditra ny tanàna. Avy hatrany dia nanapoaka basy ry zalahy  nentina nampihorohoroana ny mponina. Tsy nisy nahasahy nivoaka ny fokonolona raha tsy efa nilamina tanteraka ny tanàna. Nandritra izany efa  noraofin’ireo dahalo avokoa ny omby teo an-tanàna.

Tokony ho tamin’ny 1 ora alina nandritra io andro  io ihany, tonga tao Antanambao Ambary indray ireo dahalo ka mitovy hatrany ny fisehon’ny fanafihana. Mitotaly 19 ny omby very nandritra io alina io tamin’ireo tanàna roa ireo. Ny solombavambahoaka voafidy tao Mandoto no tratra antso voalohany raha ny fanazavana voaray hatrany, ity farany avy eo no nampandre ny lehiben’ny distrika ary  niampita tany amin’ny zandary. Ny andron’io ihany, raikitra ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Fantatra fa tsy dia lasa lavitra ireo dahalo no tazan’ny mpanara-dia. Navelan’ireo malaso teo ny omby ary rifatra nandositra avokoa ry zalahy. Tafaverina avokoa ny omby 19 noroahin’ny mpanara-dia niverina.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser