- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnjoma Ramaritina : Vehivavy bevohoka voatifitra, ny vadiny voakapa famaky

Anjoma Ramaritina : Vehivavy bevohoka voatifitra, ny vadiny voakapa famaky

Olona roa no indray namoy ny ainy niharan’ny habibian’ny dahalo.

Ny zoma halina hifoha alahady tamin’ny 1 ora, tonga nanafika ny tanàna atao hoe Mahatsinjo any Anjoma Ramaritina ny  jiolahy  fito nitondra basim-borona sy antsy lava ary famaky. Vokany, vehivavy bevohoka iray no maty voatifitra teo amin’ny kibony. Maty voakapa famaky ihany koa ny vadiny. Omby dimy no lasan’ireo mpangalatra.

Tamin’io ora voalaza io, nanao be fiavy ireo jiolahy. Avy hatrany dia nanapoaka basy izy ireo. Tamin’izay indrindra anefa, voalaza fa narary kibo ny zanaka’ireo olona hotafihana, ka nitondra an’ilay zaza nandeha nivoaka tany ivelany ilay vehivavy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, tamin’io fotoana io no voatifitra izy. 47 taona ity olona ity. Voa teo amin’ny kibony. Rehefa izany, niditra ireo mpandroba ary dia nikapa ilay lehilahy tamin’ny famaky. Ny tongony no nasian’ireo olon-dratsy ary voalaza fa tapaka niala mihitsy izany. 51 taona izy izao nindaosian’ny fahafatesana izao. Rehefa tsy nisy sahy nihetsika intsony ny rehetra dia nalain-dry zalahy ny omby enina. Novonoiny ny iray ary nentiny ny dimy.

Raha vao lasa ireo dahalo dia nivory ny olona ary niezaka nitondra ireo naratra tany amin’ny hopitaly. Samy tsy nisy tana ny ain’ireto mpivady. Ho an’ilay lehilahy manokana, be loatra ny rà very ka dia izany no tsy nahaavotra ny ainy intsony. Efa mandeha ny fitadiavana an’ireo nahavanona izao famonoana narahina fangalarana omby izao. Miaramila no misy any an-toerana ka dia izy ireo no misahana ny fanadihadiana rehetra.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser