Voasokajy ho isan’ny faritra mena ao amin’ny distrika Mandoto ny kaominina Anjoma Ramaritinina amin’ny asan-dahalo. Isan’ny mahatonga izany ireo distrika mafampana mifanila aminy, toy ny ditsrikan’i Tsiroanomandidy sy Miandrivazo. Raha ny fantara dia tsy maintsy mandalo ao Anjoma Ramartinina avokoa ny omby very avy amin’ireo faritra ireo. Manjaka ao amin’ireo tanàna misy kizo fandalovan’ny dahalo io ihany koa ny disadisa ara-piarahamonina ka miteraka tsy fandriam-pahalemana eny ifotony, hany ka tsy mifampatoky intsony ny mpiray tanàna, ny samy fokontany. Noho ity farany, nidina teny ifotony ny ben’ny tanànan’Anjoma Ramaritinina, Rafanomezantsoa Harinaivo Jean William, niaraka tamin’ny delegasiona maro nahitana ny solombavambahoaka, ny lehiben’ny distrika niaraka tamin’ny OMC sy mpitondra fivavahana maro, hampihavana sy hamerina ny fiaraha-monina amin’ny laoniny. Tao amin’ny faritry ny fokontany Ambaravaranala, 30km miala ny distrika renivohitra, kizo iray isian’ny fifandonana matetika, no nifampitaona ny fokonolona sy ny mpandrindra ity hetsika ity. Tonga maro ny fokonolona sy ny olobe niara-nikaon-doha sy nidinika ary indrindra namitra-pihavanana ho antoky ny fandriam-pahalemana. Foatoam-pivavahana no nanokafana ny fotoana, taorian’izay nisy ny famonoana omby lehibe iray natao tsitsika sy velirano ho fanamafisana ny fihavanana sy firaisan-kina vaovao napetraka.
Nanome toromarika sy ny fepetra tokony horaisina raha misy fanafihana, na fandalovan’ny dahalo mandroaka omby kosa ny teo anivon’ny mpiandro filaminana notarihan’ny kapiteny Rabemananjara, kaomadin’ny kaompania Mandoto. Nambaran’ity farany mantsy fa tao amin’ity kizo ity no nisehoan’ilay fifandonana mahery vaika ka nahafaty dahalo 13 isa vao tsy ela akory izay. Nohamafisiny fa ny distrikan’i Mandoto dia vavahady amin’ireo distrika hafa, toy ny distrikan’i Tsiroanomandidy sy Miadrivazo. Ireto farany izay malaza amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
Araka ny fanazavana dia hitohy ao amin’ny kaominina Vasiana ity famitranam-pihavanana eo amin’ny samy fokonolona ity.
Andry N.