- Publicité SW45 -
mardi, mars 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnjoma Ramaritinina : Jiolahy roa maty voatifitry ny miaramila

Anjoma Ramaritinina : Jiolahy roa maty voatifitry ny miaramila

Jiolahy roa no lavon’ny balan’ny miaramila avy amin’ny DAS tao Mandoto ny faran’ny herinandro lasa teo.

Jiolahy efa-dahy no nikasa hanafika tao amin’ny tanàna antsoina hoe Befanenitra, fokontany Tsaramiakatra, kaominina Anjoma Ramaritinina. Tsikaritry ny fokonolona anefa ny teti-dratsin’izy efa dahy ireto ka nampandre haingana tany amin’ny mpitandro filaminana ny vahoaka. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nandefa miaramila tany amin’ny fokontany ny DAS vantany vao naharay ny antso. Teny am-pandehanana ireo miaramila dia nahatazana ireo jiolahy nanamorona ny renirano antsoina hoe Mahajilo, tokony ho tamin’ny 5 ora maraina raha, ny fanazavana. Raikitra teo avy hatrany ny fifampitifiriana, fantatra mantsy fa nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika koa ireo jiolahy. Maty voatifitra teo amoron-drano ny roa tamin’ireo olon-dratsy fa ny roa kosa tafatsoaka. Voalaza fa nentin’ireo jiolahy roa tafaporitsaka ny basy calibre 12 nampiasany nandritra ny fifandonana ka mbola karohina hatramin’izao. Antsy lava miampy ody gasy maromaro kosa no sisa tavela niaraka tamin’ireo roa voatifitra. Mbola mitohy ny fanadihadiana amin’izao fotoana, angatahan’ny fokonolona any an-toerana kosa ny hisian’ny “ opération coup d’arrêt”, any amin’ny distrkan’i Mandoto, fa mandripaka loatra ny asan-dahalo.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser