- Publicité SW45 -
samedi, septembre 21, 2024
AccueilFaits-DiversAnjoma Ramaritinina : Telo lahy voatsindrona antsy tao amina bara

Anjoma Ramaritinina : Telo lahy voatsindrona antsy tao amina bara

Tovolahy telo no nisy nanindrona antsy tao  amina bara iray tao Anjoma Ramaritinina ny harivan’ny zoma 6 jona teo.

Tokony ho tamin’ny  6 ora hariva raha nisotrosotro tao amina bara iray  ireto telo lahy ireto no avy hatrany dia nisy nanindrona antsy.  Efa-dahy no voalazan’ireo niharam-boina fa nanindrona antsy azy ireo. Tsy nisy ady na fifamaliana tamin’ny roa tonta fa avy hatrany dia ny tsindrona antsy no niantefa tamin’ireo telo lahy, tsy afa-niarotena akory izahay hoy hatrany ireo niharamboina fa tampoka loatra ny zavaniseho. Voa mafy ny roa tamin’ireo tovolahy, voatsindrona teo ambanin’ny fony ny iray, ary voalaza fa nivoaka mihitsy ny havokavony. Ny iray kosa fantatra fa nipotsaka hatramin’ny tsinainy, iray hafa feno Diana antsy sy diam-pamaky ny vatany. Tsy nisy nahalala sy  nahafantatra  ireo nahavanon-doza, nitsoaka nandositra rahateo ry zalahy rehefa  izany.  Mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly Atsimo CHRR eto Antsirabe avokoa izy telo lahy ireto amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny dokotera tompon’andraikitra fa tsy atahorana intsony ny ainy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser