
Nisehoan’ny vono olona tamin’ny fomba feno habibiana tao Anjoma Carreau II ny alin’ny alarobia 21 jona nifoha alakamisy 22 jona teo. Raha ny fantatra dia hamonjy fodiana avy nanao ny asany io nisy namono io. Raha ny fanazavan’ny fianakaviany dia avy nanatitra olona tany Foulpointe ka tratra alina izy izao maty nisy namono izao, ka tsy fantatra marina ny anton’ny famonoana, satria nanjavona avokoa ny taratasy momba azy rehetra, toy ny fahazoan-dalana mamily fiara sy ny karapanondrom-pirenena. Avy nanatitra fiara tany amin’ny toerana fipetrahan’ny fiarany izy izao nandeha nody nisy namono izao raha avy niala tuc-tuc, araka ny fantatra. Raha ny tombana dia tokony ho tany amin’ny misasak’alina tany na tamin’ny 1ora marina tany izy no nisy namono izao, araka ny fanadihadian’ny mpitsabo. Raha tonga ny polisy misahana ny heloka bevava sy mpanao fanadihadiana rehefa misy faty olona tahaka izao niaraka tamin’ny dokotera mpisahana ireo maty an-dalam-be, dia nahita izy ireo fa tsy teo amin’ny faritra nahafaty azy no nisy namono ity raim-pianakaviana ity fa toeran-kafa. Tsy nahita ra firy mantsy ilay toerana nidarabohan’ny maty. Avy hatrany moa dia noraisin’ny fianakaviany ny razana, satria teo akaikin’ny tranony rahateo izy no maty tamin’izao famonoana azy izao. Gaga avokoa ny rehetra nahita ity rangahy ity maty, satria ny fahafantaran’ny olona azy dia olona tsotra. Misokatra ny fanadihadiana araka ny fantatra, satria nitory olon-tsy fantatra ny fianakavin’ity rangahy maty tao Anjoma Carreau II ity. Andrasana izany izay ho valin’ny fanadihadiana mikasika ny nahafaty azy tahaka izao.
Malala Didier