Tsy mihanona intsony amin’ny fanafihana fivarotana ambongadiny sy zava-pisotro intsony izao ny jiolahy. Ny zoma hariva lasa teo, fivarotam-panafody iray teny amin’iny faritra Anjomakely, Atsimondrano iny no lasibatry ny andian-jiolahy mitam-basy. Tsy nisy ny aina nafoy na izany aza anefa, vola aman’hetsiny maro no lasan’ireto olon-dratsy ireto. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo no nitranga ity fanafihana ity raha ny fampitam-baovao azo. Enin-dahy izy ireo ary mirongo basy poleta sy zava-maranitra. Nanao amboletra niditra tao amin’ilay fivarotam-panafody ary nanambana basy sy nandrahoana ireo tompon-trano. Noho ny hery tsy mitovy etsy andaniny, ny tsy fisian’ny olona hamonjy izay tapitra nitsoaka avokoa raha vao namoaka basy ireo olon-dratsy dia tsy afa-nanohatra firy ireo voatafika ankoatry ny nanome izay nilain’ireo olon-dratsy. Vola matin’ity fivarotam-panafody nandritry ny andro, izay nitentina teo amin’ny efatra hetsy ariary teo ho eo no lasan’izy ireo, niampy finday sy lakilena môtô no lasan’izy ireo tamin’izany. Nitsoaka nihazo ny fokontany Ambohibao moa ireto olon-dratsy ireto rehefa azony izay nilainy. Taorian’izay kosa no tonga teny an-toerana ireo zandary avy Andoharanofotsy rehefa nahazo antso mahakasika ity fanafihana ity. Nijery ifotony ny zava-nisy ary nanantateraka ny fanarahan-dia ireto jiolahy ireto avy hatrany. Fa mbola fanafihana mitam-piadiana ihany, nitranga teny amin’iny faritra Ankadikely iny io andron’ny zoma hariva io. Fitolahy nirongo basy poleta sy zava-maranitra no nanafika tokantrano iray. Na dia nampiasa ny fitaovam-piadiana teny an-tanany aza ry zalahy dia tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy. Vola iray hetsy ariary mahery no lasan’izy ireo niampy finday sy antsibe tao amin’io tokatrano io. Efa mandeha ny fikarohana ireto olon-dratsy ataon’ny zandary.
m.L