- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnjomakely : Tovolahy hita faty, voatsindrona antsy sy voatonta vato

Anjomakely : Tovolahy hita faty, voatsindrona antsy sy voatonta vato

Hatairana ny an’ireto mpianatra handeha maraina raha nahita olona nitsitra tao anaty “dalle” tao ambanin’ny lalam-by, teny amin’iny Anjomakely iny omaly maraina. Teo amin’ny PK 18, eo amin’ny 100 metatra miala ny lalam-pirenena fahafito iny. Tovolahy manodidina ny 25 taona teo izy io ary efa tsy nisy aina intsony. Nampandrenesina avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy. Tonga teny ihany koa ireo zandary misahana iny faritra iny. Ny fitsirahana ny razana nataon’ireo mpitsabo no nahafantarana fa maty nisy namono ity olona ity, hoy ireo mpitandro filaminana teny an-toerana. Nahitana ratra isan-karazany mantsy teo amin’ny tarehiny. Ratra izay vokatry ny tsindrona zava-maranitra natao taminy. Fa ambonin’izay dia mbola hita ihany koa fa toro ny lohany, izay toy ny hoe notontana tamin’ny vato, ary izay no azo inoana fa antony nahafaty azy. Tsy nisy marika azo namantarana azy teny aminy, hoy hatrany ny tompon’andraikitry ny zandary nizaha ifotony. Mbola teny aminy avokoa ny akanjony rehetra, saingy fotsiny hoe ny kirarony no hany tsy teny an-tongony. Ny angom-baovao hatrany no nahafantarana fa tsy mponina eny an-toerana velively izy io. Tsy nisy nahafantatra azy mantsy ireo mponina teny amin’ny manodidina. Azo heverina araka izany fa mety ho novonoina tany ho any ity ranamana ity ary natsipy tao anatin’io “dalle” io avy eo ny vatana mangatsiakany. Izay antony hatreto aloha tsy fantatra? Efa nentina any amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly etsy Ampefiloha moa ny razana. Nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany kosa ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Andoharanofotsy tetsy an-danin’izay.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici