Saron’ny zandary avy ao Anjozorobe ny lehilahy iray antsoina hoe Rafrà. Izy io dia voasambotra niaraka tamin’ny basy “mass 36” sy bala 16, fitaovam-piadiana izay nataony tao anaty sakaosy. Nomarihany nandritra ny fanadihadiana azy fa miaramila Lietnà iray izay monina eny Ankaraobato no miaraka manao trafikam-basy aminy. Vidiny iray tapitrisa ariary any amin’io miaramila io ny basy dia amidiny roa tapitrisa avy eo. Ny bala indray dia dimy arivo ariary no hivarotany ny iray. Efa nigadra noho ny trafikam-basy Rafaralahy (Rafrà), 48 taona. Nambarany ihany koa fa nanome vola efatra tapitrisa ariary izy dia io efa miriaria io sahady, nefa mbola tsy nahavita sazy. Midika izany rehetra izany fa efa zadraharaha ary miasa anaty tambajotra ity rangahy ity. Efa miparitaka ny basy izay namidiny hatramin’ny taon-dasa. Mitohy ny fanadihadiana ity lehilahy ity ary koa ny fitadiavana ireo olona natondrony, isan’izany ilay miaramila izay voalaza etsy ambony.
D.R