- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe, Andramasina, Manjakandriana : Jiolahy 245 nosamborina, 31 maty voatifitra

Anjozorobe, Andramasina, Manjakandriana : Jiolahy 245 nosamborina, 31 maty voatifitra

Toy ny fanaony isan-taona, nisy ny jery todika sy fanombanana ny zavatra vita, nandritra iny taona lasa iny, nataon’ny teo anivon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Imerina Centrale, notarihin’ny kaomandiny, ny Kapiteny Andriambeloniaina Toky. Vondron-tobim-paritry ny zandary, izay misahana distrika telo : Andramasina, Anjozorobe ary Manjakandriana. Eo ambany fibaikony ihany koa ireo « bemôtô » na ireo zandary misahana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena.

Nanamarika iny taona iny, hoy ny filazan’ity manam-boninahitra ity ny fihenenan’ireo trangana fakàna an-keriny, izay nahazo vahana tany amin’ireo distrika telo, indrindra fa ny tany Anjozorobe. Tsy nisy afa-tsy tranga fito izany, raha nahatratra hatrany amin’ny tranga 15 tany ho any, ny taona 2021. Tao anatin’izany, olona nahatratra hatrany amin’ny 155 isa tany ho no voasambotra, voarohirohy tamin’izany resaka izany. Torak’izany ihany koa ny teo amin’ny resaka fanafihana sy halatr’omby : nihena ho tranga 21 sisa raha nahatratra hatrany amin’ny tranga 26 tamin’ny taona 2021. Dahalo manodidina ny 54 isa kosa no nosamborina tamin’izany.

Fa ankoatry ny resaka halatr’omby sy ny fakàna an-keriny, nisiana raharaha mafampafana ihany koa nandalo teo am-pelan-tanan’ireto zandary ireto. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny halatra fitaovana isan-karazany, izay hanaovana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena : ny fahatratrarana granulés de caoutchouc, izay milanja hatrany amin’ny 6.450kg, nokasaina hanaovana ny kianja manara-penitra tao Moramanga sy Ambatondrazaka. Torak’izany ihany koa ny nahasaronana « goudrons » milanja 10.600kg, izay saika hanaovana ny lalam-pirenana faha-44.

Etsy andanin’izay, ny nahasaronana mpanonta vola sandoka, izay tra-tehaka niaraka tamin’ny fitaovana harifomba niisa dimy ary vola sandoka an-tapitrisany. Ny fahatratrarana fitaovam-piadiana isan-karazany, tsy nahazoana alalàna sy tsy nisy taratasy : nahatratra hatrany amin’ny 29 ireo basy sarona tamin’izany ka ny iray tamin’ireo « kalach », iray PA, ny sisa basim-borona sy ny basy vita gasy. Tao anatin’ireo vokatra ireo nahafahana nisambotra ireo olona 254. Nisy ihany koa anefa ireo tsy nanaiky mora ny fisamborana na sahy nihantsy ady tamin’ireo mpitandro filaminana ka niafara tamin’ny fifandonana. Nahatratra hatrany amin’ny 31 tany ho any ireo olon-dratsy maty voatifitra tamin’iny taona iny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici