- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Asan-dahalo, olona telo namoy ny ainy

Anjozorobe : Asan-dahalo, olona telo namoy ny ainy

Manao antso avo ny vahoaka any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Manjaka tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana ! Olona telo indray mantsy no indray namoy ny ainy vokatry ny asan-dahalo ny alin’ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny tanana iray ao kaominina ambonivohitra Anjozorobe.

Tokony ho tamin’ny valo ora alina teo ho eo no tonga tao amin’ity tanana iray antsoina hoe Mahavelona ao amin’ny fokontany Beronono, 25 kilaometatra monja miala ny tampon-tanana ireo andian-dahalo mirongo basy. Nirefodrefotra ny basy. Tokantrano telo no nasesin’izy ireo notafihana tamin’io alina io. Raha ny angom-baovao avy any an-toerana dia nobahanan’ireo olon-dratsy ny varavarana tsy ahafahan’ireo tompon-trano mivoaka. Ny sasany kosa mitifitra avy hatrany avy any ivelany. Iray tamin’ireo mponina no lavo avy hatrany vokatr’izay tifitra variraka, nisy roa kosa naratra. Ny iray tamin’izy ireo anefa, indrisy fa namoy ny ainy ihany koa fotoana fohy taorian’ilay fanafihana, noho ny halehiben’ny ratra nahazo azy. Mbola manohy ny fitsaboana kosa ilay iray hafa naratra.

Fa tsy vitan’io anefa ny fahavoazana nahazo azy ireo. Ankoatr’ilay fanafihana mantsy, rehefa nandre ny zava-nisy sy ny nahazo ireo telo mirahalahy ny havany akaiky, ny rahavavin’ny reniny, araka ny vaovao azo, dia namoy ny ainy ihany koa vokatry ny hatairana sy ny alahelo. Raha ny loharanom-baovao hatrany anefa dia azo isaina amin’ny rantsa-tanana iray monja, ireo omby lasan’ireto dahalo ireto tamin’izany kanefa dia izao namoizana aina telo be izao ary nandratra olona iray izao. Nisy avy hatrany moa ny fidinan’ny ben’ny tanana niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana. Ireto farany izay efa eo am-panaovana fanarahan-dia ireo olon-dratsy ireto.

Miraviravy tanana tanteraka ireo mponina any amin’iny faritra iny amin’ity resaka tsy fandriampahelamana izay niha-nahazo vahana ity tato ho ato. Vao herinandro teo tokoa mantsy izay no nisian’ilay vehivavy voatsatotsak’antsy tany amin’iny distrika iny hatrany. Manginy fotsiny ireo halatr’omby, ny vaky trano ary ny hala-botry…

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici