Omby am-polony no lasan’ireo malaso ary tovolahy iray no naratra mafy voan’ny bala. Izay no vokatry ny fanafihan-dahalo nitranga tao amin’ny tanan’Amboanjobe, kaominina Anjozorobe, ny harivan’ny alakamisy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo avy tany an-toerana dia nahatratra teo amin’ny folo lahy teo ireo andian-dahalo no nanafika ity tanana ity, izay marihana fa dia tsy ampy am-polony kilaometatra monja miala ny tampon-tanana, manaraka iny lalam-pirenena fahatelo iny. Nitondra basim-borona izy ireo tamin’izay fotoana izay ary avy hatrany dia nitifitra raha vantany vao tafiditra tao an-tanana. Vokatr’izay tifitra izay dia tovolahy iray no voan’ny bala, teo amin’ny tendany sy teo amin’ny tanany. Valan’omby efatra kosa no ravan’ireo dahalo tamin’izany. Taorian’ny fanafihana dia nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana ary efa nisy ny fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona sy ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Ilay tovolahy voatifitra kosa dia efa nentina namonjy toeram-pitsaboana.
m.L