Miseho amin’ny endriny maro tokoa ny asan-dahalo amin’izao. Tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, olon-dratsy roalahy no voasambotry ny zandary ny sabotsy lasa teo. Milaza fa dahalo izy ireo ary tsy menatra mihitsy maneho izany amin’ireo mponina ao amin’ny fokontany Ankodondona ao amin’ny kaominina Amboasary. Amin’izay zavatra izay dia mandeha manatona tokantrano iray izy ireo, ary mandrahoana ny hanafika izy ireo raha tsy hoe omena volabe. Hatreto dia efa tokantrano maromaro no efa lasibatr’izy ireo, ary efa volabe ihany koa ny azony. « Tokantrano miisa telo no efa lasibatr’ ireo jiolahy ary teo am-pangalana ny vola 8 etsy ariary izy ireo no nosamborina. » hoy ny vaovao. Manao andiany maromaro ireto olon-dratsy ireto amin’ny asa ratsy ataony, ary toa mety foana ny tetik’adin’izy ireo, afa-tsy tamin’ity indray mitoraka nahasamborana ny roa tamin’izy ireo ity. Nandeha nitory avy hatrany tany amin’ny zandary mantsy ilay olona saika hataon’izy ireo lasibatra ka tratra ambodiomby ireto roalahy ireto. « Miisa 5 izy ireo no ao antin’ny fikambanana « bande de 5 » ka ny 2 izao tratra izao ary efa eo am-pikarohana ny ambiny ny zandary any an-toerana, izay 27 hatramin’ny 48 taona». Marihana fa efa ho efa-bolana teo izay no nanaovan’ireto olon-dratsy ity asa fampihorohoroana ity. Tetsy andanin’izay anefa dia tsy mbola nahenoana fanafihana ara-bakiteny tao amin’ilay faritra, araka ny fanazavàna azo. Izany hoe, mety mampitahotra ny olona fotsiny, hahazoan’izy ireo vola ny tena tetik’adiny. Omaly ihany moa ireto, olon-dratsy ireto no natolotra teny anivon’ny Fampanaovana. Ity hetsika nahasamborana ireto olon-dratsy roalahy ireto moa, araka ny fanazavàna azo, dia tafiditra ao anatin’ny hetsika ataon’ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena, entina mampandry fahalemana ny tany.
m.L