- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Dahalo nirongo « kalach » nanafika tanàna

Anjozorobe : Dahalo nirongo « kalach » nanafika tanàna

Nirefodrefotra indray ny basy tany amin’iny distrikan’ Anjozorobe iny, ny alin’ny talata lasa teo. Fifandonana mahery vaika nisy teo amin’ireo dahalo am-polony, izay  nirongo « kalach » sy basim-borona ary zava-maranitra isan-karazany, tetsy an-kilany ary ireo fokonolona mpanara-dia niaraka tamin’ny mpitandro filaminana, an-daniny. Vokany, nanao tongotra an-katoka nitsoaka ireo olon-dratsy namela ny hazany. Nisy naratra ihany koa tamin’izy ireo araka ny fampitam-baovao azo. Araka ny fampitam-baovao azo, dia nisy fanafihan-dahalo tao amina tanana iray, tao amin’ny kaominina Beronono, fotoana kely talohan’io. Basy mahery vaika ny teny an-tànan’ireo mpanafika ka tsy afa-nanoatra firy ireo fokonolona, eny fa na dia nanao izay azon’izy ireo natao ihany aza. Omby an-jatony mahery no azon’ireo dahalo ireto tamin’io fotoana io. Nampandrenesina avy hatrany teo ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana ka tonga tany an-toerana, nanatanteraka ny fanaharan-dia. Tsy lasa lavitra akory ireto mpanafika, dia tratra ka io raikitra io ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, ary niafara tamin’ny fitsoahan’ireo malaso izany. Azo avokoa moa ny omby teny am-pelan-tanan’ireto farany ary efa samy naverina tamin’ny tompony izany. Mitohy kosa etsy andanin’izay ny fikarohana ireo mpanafika ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici