Efa nandrasan’ireo olon-dratsy kendry tohana mihitsy ireo zandary sy ny fokonolona mpanara-dia. Raikitra avy hatrany ny tifitra variraraka. Tranga niseho ny alin’ny talata teo, tao amin’ny tanana iray tany amin’iny kaominina Ambatomanoina, distrikan’Anjozorobe iny.
Toy ny fanaon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana, entina hiadiana amin’ny resaka asan-dahalo dia misy hatrany ny fisafoana isan-kalina ataon’izy ireo. Tao anatin’iray tamin’ireny fisafoana ireny mihitsy no nifanojo tamin’ny andian-dahalo, efa nivonona tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo sy ireo vatan-dehilahy niaraka tamin’ireto mpitandro filaminana ireto. Dahalo maromaro no efa niambina ny fandalovan’ireto zandary teo amin’ny kizon’Ankadinilalao, ao amin’ny fokontany Tsarahonenana, kaominina Ambatomanoina, araka ny vaovao azo. Raikitra avy hatrany ny fifandonana, satria tonga dia tifitra variraraka no nataon’ireo olon-dratsy. Voatery niaro tena ihany koa ireo zandary ka namaly tifitra. Vokany, tsy araka ny noheverin’ireo dahalo ny zava-nisy. Noho ny fahaiza-manaon’ireo mpitandro filaminana mantsy dia nisy roa tamin’ireo mpanafika azy ireo no lavo vokatr’izany. Nitsoaka kosa ireo naman’izy ireo hafa. Taorian’ny fifandonana dia niroso tamn’ny fitsirihana ny toerana nisian’izany ireo mpitandro filaminana, ka ankoatry ny vatana mangatsiakan’ireto dahalo anankiroa dia mbola nahitàna basy sy taim-bala isan-karazany teo an-toerana, niaraka tamin’ny ody gasy maromaro.
Natolotra ny fokonolona moa ireo dahalo voatifitra ireo taorian’ny fizahana natao azy ireo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy tafatsoaka any an-toerana.
m.L