Nitatatata indray ny basy tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Fifandonana mahery vaika niseho teo amina andian-dahalo sy ny mpitandro filaminana. Vokany olona iray no namoy ny ainy.
Ny sabotsy lasa teo no nitrangan’izany tao amin’ny kaominina Analaroa. Araka ny fampitam-baovao azo dia nifanehatra tampoka ny roa tonta. Ny iray, ireo andian-dahalo, dia voalaza fa saika handeha hanafika an’i Mahazina, tanana kely iray any amin’io kaominina eo ambony io. Tetsy andanin’izay koa ireo mpitandro filaminana, izay nanao ny fisafoany ny tanana toy ny mahazatra isan-kariva sy isan’alina. Araka ny angom-baovao hatrany dia raha vao nahatazana fotsiny ny fiavin’ireo Tandroka aron’ny vozona ireo malaso dia nanokatra avy hatrany tifitra no sady nanao tari-dositra nitsoaka. Nahita izany fihetsika izany kosa ny ankilany dia niaro-tena tamin’ny famaliana tifitra avy hatrany. Lavon’ny bala vokatr’izany ny iray tamin’ireo andian-dahalo, izay mbola nahitàna basy vita gasy moa teny aminy, niaraka tamin’ny ody gasy maromaro. Raha ny fampitam-baovao ihany koa dia nisy naratra tamin’izy ireo saingy mbola tafatsoaka na nentin’ny namany nitsoaka izy io. Vetivety dia nafenin’ny bozaka aman’ahitra ireo malaso saika hanao ny asa ratsiny ireto. Niezaka ny nanenjika ihany ireto mpitandro filaminana saingy tsy hita tany nanjavonana intsony izy ireo. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fikarohana ireo namany, ataon’ireo mpitandro filaminana miandraikitra iny faritra iny, ary inoana fa tsy ho ela dia ho fantatra ihany izy ireo. Raha ny angom-baovao hatrany mantsy dia toa hoe mponina eny amin’ny faritra manodidina ihany ireto fanetriben’ny firenena ireto. Ilay iray maty aza moa dia fantatra fa mponina amina tanana tsy lavitra teo.
Isan’ny mampikaikaika ny mponina any amin’ireo faritra ambanivohitr’Anjozorobe ny firongatr’ity asan-dahalo ity tato ho ato izay. Tsy afaka mamokatra ara-dalàna intsony ny mponina noho ny tahotra ireto farany, izay tsy vitan’ny mangalatra omby intsony fa tena mamono amin’ny fomba feno habibiana tokoa. Ka izay indrindra no hanavaon’izy ireo antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy. Ankoatra io asan-dahalo io ihany koa mantsy dia anisan’ny mampitaraina ny lalana, izay tena ratsy dia ratsy tokoa, Ary raha somary hitarina aza dia mety ho izay no tena mampirongatra ity tsy fandriam-pahalemana ity. Fantatr’ireo olon-dratsy tsara mantsy fa tsy ho tonga haingana ny amin’ny tanana izay tafihan’izy ireo ny mpitandro filaminana, izay indraindray dia mandeha an-tongotra amina kilaometatra maro.
m.L