- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Dahalo voasambotra nahazo fahafahana vonjimaika

Anjozorobe : Dahalo voasambotra nahazo fahafahana vonjimaika

Mpangalatra omby enina no vosambotry ny zandary tany amin’ny faritra Anjozorobe taorian’ny fanafihana niseho tao amin’ny tanàna antsoina hoe Mahatsinjo Antevamanana kaominina Amboasary. Nentina niakatra taty andrenivohitra izy ireo niatrika ny mpitsara mpanao famotorana tetsy Anosy. Rehefa nivaly ny fihainoina azy ireo, dia fantatra fa nahazo fahafahana vonjimaika avokoa izy enina ireo. Araka ny filazan’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, mahavariana ihany ny zavatra toy izao. Olona efa fantatra dia dahalo nangalatra nefa dia nalefa fotsiny tamin’izao. Ny alin’ny 13 aprily teo, nisy halatra omby  sy fanafihana mitam-basy tao amin’ny tanàna antsoina hoe Mahatsinjo Antevamanana kaominina Amboasary any Anjozorobe. Volazan’ny vaovao, fa eo amin’ny 17 eo ireo dahalo tamin’izay ary nitondra basy mahery vaika. Lasa tamin’izany ny omby  55. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana tany an-toerana ary nisy ny fanarahan-dia. Rehefa tonga tamina toerana iray antsoina Mahalila Antevamanana, raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny andaniny roa. Vaky tady nandositra ireo mpangalatra, nisy iray tamin’izy ireo ary voalaza fa maty voatifitra. Hita teo amin’ilay toerana ny omby 52. Nentina niverina tany amin’ny tanàna nangalaran-dry zalahy azy. Nandeha avy hatrany ny famotorana ka tamin’izany no nahasarona ireo enin-dahy. Ny alatsinainy teo no niatrika ny Fampanoavana izy ireo ary dia nalefa nody.

Dahalo

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser