- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Fakàna an-keriny sarintsariny, olona roa voasambotry ny zandary

Anjozorobe : Fakàna an-keriny sarintsariny, olona roa voasambotry ny zandary

Izy roa, izay mpisakaiza ihany no namorona ny drafitra rehetra tamin’ity resaka fakàna an-keriny ity, mba hangalàna vola any amin’ny vadin-dramatoa. Vaky bantsilana teo ny raharaha, rehefa nanao ny fanadihadiana ny zandary.

Ny voalohandohan’ny volana septambra lasa teo dia ramatoa iray no voalaza fa lasan’ny dahalo an-keriny tao amin’ny tanana antsoina hoe Kamanja, ao amin’ny kaominina ambonivohitra Anjozorobe. Vola mitentina hatrany amin’ny 13 tapitrisa ariary no notakian’ireo olon-dratsy ho tambin’ny famotsorana azy. Ny alakamisy lasa teo, votsotra soa aman-tsara teny am-pelatanan’ireo naka azy ity renim-pianakaviana 40 taona ity, tsy nisy fandoavam-bola.

Tao anatin’izay fotoana rehetra izay anefa dia nanao ny fanadihadiana hikarohana azy ireo zandary avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Imerina central. Fantatra tao anatin’izay fa misy olona iray ahiahiana fatratra ho tompon’antoka tamin’izany fakàna an-keriny izany, izay tsy iza fa zanak’olom-pianadahy amin’ny vadin’ity ramatoa lasa an-keriny ity ihany. Voalaza moa fa nisy fifanolanana teo amin’ity « cousin »-ny ity io olona ahiahiana io noho ny resaka fizaràna lova. Rehefa niroso hatrany ny fanadihadiana dia fantatr’ireo zandary ihany koa fa mpisakaiza ary mifankatia miafina ity lehilahy ahiahiana fatratra sy ilay vehivavy lasa an-keriny.

Ny andron’ny 26 septambra lasa teo, voasambotry ny zandary ilay lehilahy ahiahiana ary natao ny famotorana azy. Roa andro taorian’io ihany anefa dia voalaza fa votsotra io ihany koa ilay vehivavy ary nohenoin’ireo mpanao famotorana. Marobe anefa ny zavatra tsy dia nifanaraka loatra tao anatin’ny fitantarany ka nanapa-kevitra ny hanao famotorana lalina ireo mpitandro filaminana. Teo no nahitàna ny marina rehetra tamin’ity raharaha ity ka izao nipoitra ho azy izao. Araka ny fanazavana azo dia ilay sipan-dramatoa no sady rahalahim-badiny ihany no atidoha nikotrika ilay fakàna an-keriny ary niaraka niray petsapetsa taminy ramatoa. Ny tanjona dia mba hangalàna volabe any amin’ilay rangahy vadin’ity farany. Roa tapitrisa ariary no voalaza fa tokony ho anjaran’ilay ramatoa tao anatin’izany. Nony fantatr’ity farany fa voasambotra ilay sakaizany dia nivoaka moramora tany amin’ny toerana niafenany ny anao vehivavy ary io nilaza io fa afaka teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy. Niaiky ihany koa moa izy tamin’ny fakàna am-bavany azy fa izy sy ilay sakaizany no niaraka namolavola ity sarintsarina fakàna an-keriny ity.

Teo anatrehan’ny zava-nisy moa dia niara-notazomina natao andrimaso ity ramatoa ity sy ilay lehilahy sakaizany, ary hatolotra ny fampanoavana amin’ny fotoana mahamety azy. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ireo zandary, hitadiavana ireo olona izay mety ho mbola mpiray tsikombakomba tamin’ity fakàna an-keriny ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici