Vehivavy telo sy lehilahy dimy. Ireo hatreto no olona nosamborin’ireo mpitandro filaminana tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny taorian’ilay famonoana zandary nitranga tao amin’ny kaominina Ambohibary Vohilena, iray andro talohan’ny krismasy teo. Raha tsy misy ny fiovàna dia mety hatolotra ny Fampanoavana anio izy ireo, araka ny angom-baovao azo.
Zandary telolahy, teo am-panantanterahana ny asany no tafiditra tao anaty velam-pandriky ny dahalo tany amin’iny distrika Anjozorobe iny ny 24 desambra lasa teo. Ny iray tamin’izy ireo no namoy ny ainy avy hatrany rehefa voatifitra, raha naratra kosa ny roa. Tsiahivina fa teny an-dalana, raha voairaka hampandry fahalemana ny fetin’ny krismasy izy ireo, no sendra ny andian-dahalo manodidina ny telopolo lahy teo, nirongo fitaovam-piadiana. Tifitra variraraka avy hatrany no nitsena azy ireo raha tonga tamina toerana iray somary saro-dalana izy ireo teo Ambohimiandra, Miarikofeno, kaominina Ambohibary.
Zandary maromaro avy any amin’iny faritra iny sy taty an-drenivohitra, nampian’ireo miaramila maromaro avy tamin’ny Tafika no nanao savahao sy hazalambo ireo dahalo taorian’ity famonoana an-kitsirano mpitandro filaminana ity. Hetsika naharitra teo amin’ny folo andro teo no natao, raha ny angom-baovao azo. Nandritra izay no nahatratrarana ireto valo mianadahy ireto. Ny sasany tamin’izy ireo no nandray anjara nivantana, anisan’ireo telopolo lahy, raha mpiray tsikombakomba, nanampy tamin’ny fampitaovana sy fampiantranoana ireo dahalo kosa ny hafa. Tsy nijanona hatreo ny fikarohana anefa, raha ny fantatra, fa mbola mitohy hatrany izany any an-toerana. Marihana fa nisy sasany tamin’ireto olona voasambotra ireto no nosamborina teo an-tanana ihany ary ny hafa kosa tany tamin’ny tanana manodidina.
m.L