- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Fanafihan-dahalo : môtô iray nodoran’ireo olon-dratsy, omby 47 no lasa

Anjozorobe : Fanafihan-dahalo : môtô iray nodoran’ireo olon-dratsy, omby 47 no lasa

Voatafika ny tanana. Tsy nisy nahazo nivoaka ny fokonolona. Voambina basy ny varavaran’ny isan-tokantrano. Môtô an’ny talen-tsekoly iray no sendra ny fanafihana ary nodoran’ireo olon-dratsy. Afa-nitsoaka kosa ilay mpitondra azy. Horohoro toy izany no niainan’ireo fokonolona tao  Andreba Avaratra, disitrikan’Anjozorobe, ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Tombanana ho any amin’ny 30 lahy any ireo dahalo,  nirongo basy, nanafika tao.

Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo no tonga ireo dahalo, araka ny fitantarana raim-pianakaviana iray  monina ao an-toerana. Samy tsy nisy nanam-po ny fiavian’ireto olon-dratsy ny rehetra satria dia samy mbola nivoha avokoa ny fivarotana. Tampoka teo anefa,  nidina avy tamin’ny fiarabe iray niakatra teo an-tanana ny andian’olona marobe, nirongo basy. Tsy nisy alaharo fa avy hatrany dia tifitra variraraka no nataon’izy ireo, nentina nandrahonana ireo fokonolona. Manginy fotsiny ny fandraràna tsy hivoaka ny trano. Ny sasany tamin’ireo dahalo no niambina ny varavaran’ny tsirairay tamin’ny basy ary ny hafa namoaka ny omby rehetra tamin’izay fahitra sendra azy ireo. Araka ny vaovao azo dia fahitr’omby 12 isa tao an-tanana no norobain’ireo dahalo, ary omby manodidina ny 47 no lasa. Nanao izay danin’ny kibony araka izany ireo andian-dahalo ireto ary rehefa azony ny omby dia lasa izy ireo. Tsy vitan’izay anefa, araka ny vaovao azo hatrany, fa nisy tokantrano sasantsany ihany notafihan’ireo andian-dahalo ireto. Izy ireo nandeha nivoaka ny tanana indray no nahita ilay môtô navelan’ny tompony teo an-tsisin-dalana ka dia nodoran’izy ireo tsy nisy fisalasalana mihitsy izany. Na izany aza ny zava-niseho, tsy nisy aina nafoy na ny naratra.

Fotoana fohy taorian’ny fanafihana no niangona ny vatan-dehilahy teo an-toerana ary nanao ny fanarahan-dia. Nampian’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana moa izany ka fantatra fa efa nisy omby manodidina ny 20 eo ho eo no latsaka, hatramin’ny omaly hariva. Mbola mitohy kosa ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo dahalo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici