- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Fasana roa nisy namaky, razana an-jatony nanjavona

Anjozorobe : Fasana roa nisy namaky, razana an-jatony nanjavona

Ankoatra ireo poti-taolana niparitaka teo an-tokontanim-pasana dia nanjavona avokoa ireo razana rehetra, izay tombanana ho am-polony maromaro tany, tao amin’ireo fasana roa tao amin’ny fokontany Amboanonoka, kaominina Ambongamarina, distrika Anjozorobe.

Omaly maraina no tonga nampandre ny lehiben’ny fokontany tao an-toerana ireo nahatsikaritra ny zava-nitranga. Sendra nandalo teny amin’ny faritra nisy ny fasana mantsy ireto olona ireto no nahita fa efa mivoha midanadana ny varavaram-pasana. Rehefa nidina ifotony nijery ny zava-nisy ireo tompon’andraikitra niaraka tamin’ireo solontenam-pokonolona sy ny tompom-pasana dia tojo ilay toe-javatra mampalahelo. Nikorontana ambony ambany ny tao anatin’ity fasana ity, ary rehefa tena nosavaina dia hita tsy nisy tao intsony ny taolam-balon’ireo razana rehetra tao. Ireo taolana somary boribory sisa niaraka tamin’ireo lamba nifonosany. Ary tsy vitan’io fasana io ihany fa nataon’ireo olon-dratsy lasibatra ihany koa ny fasana teo akaikiny. Satria somary lavitry ny tanana ilay faritra misy ireto fasany ireto, dia tsy nisy afaka nilaza hoe oviana no nanaovan’ireo mpangalatra taolam-paty ny asa ratsiny. Efa nampandresina ny mahakasika ity toe-javatra ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary inoana fa handray ny andraikiny manandrify izany. Nirongatra  tanteraka mihitsy ity resaka vaky fasana ity tato ho ato. Vao tsy ela tokoa mantsy izay no nisian’ilay tetsy Andriampamaky, amin’iny faritra Avaratry ny renivohitra iny hatrany, izay nisiana razana 60 indray very.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici