Ny alahady hifoha alatsinainy teo ny iray, ary ny alatsinainy valo martsa hariva teo ny iray. Fokontany roa, izay samy ao amin’ny kaominina Ambohibary no nataon’ny dahalo ampolony maro nitondra faisana. Basy sy omby no lasa tamin’io fotoana io, raha ny vaovao azo. Horohoro sy fitaintainana ny an’ireo mponina. Tokony ho tamin’ny fito ora latsaka fahefany hariva, ny alahady, efa tampi-nihinana sy nandrindrina ny tranony avy ny rehetra tao amin’ny tanana iray tao Amboatavohazo, fokontany Morarano, kaominina Ambohibary, distrika Anjozorobe no tonga nampaneno kiririoka sy tao anaty poa-basy tsy nifandrenesana ny andian-dahalo manodidina ny roapolo lahy teo ho eo. Raha ny angom-baovao azo avy tany an-toerana dia tokatrano iray tamin’io tanana io no toa efa nokendren’izy ireo tamin’izany. Nentina nampihororoana ireo mponina tsy hivoaka sy hamonjy ireo kotaba sy poa-basy. Marihana basim-borona sy ny zava-maranitra isan-karazany no fitaovam-piadiana nentin’izy ireo tamin’izay fotoana izay. Rehefa tafatsoka tao amin’io trano izy ireo dia basy « calibre 12 Baikal » izay tao no nalain’izy ireo voalohany. Tsy nanohatra rahateo moa ny tompon-trano, hany ka mora tamin’ireo malaso no nanao ny asa ratsiny. Tsy naka n’inona n’inona ankoatr’izay izy ireo ary nitsoaka niakandrefana taorian’izay. Ny marain’ny alatsinainy, vao nahazo antso ny teo anivon’ny zandary Ny harivan’io alatsinainy, andron’ny vehivavy io, indray anefa dia fantatra fa nisy fanafihan-dahalo nahery vaika ihany koa, tsy lavitra an’ilay tanana vao avy lasibatra tetsy ambony. Samy tao amin’ny kaominina Ambohibary ihany saingy tao amin’ny fokontanin’i Miarikofeno. Mbola dahalo teo amin’ny roapolo lahy teo ihany no nanao ny asa ratsy, ary mirongo basim-borona sy zava-maranitra. Tamin’ity indray mitoraka ity dia omby am-polony maro no lasan’izy ireo ary nitondra izay nivoaka ny tanana, nihazo ny lalana avaratra andrefana. Samy nandrindrina ny varavarany avokoa moa ny mponina ary tsy nisy sahy nivoaka nanohitra ireto andian-dahalo, hany ka nanao izay danin’ny kibony izy ireo. Fotoana elaela taorian’ny nitsoahan’ireo malaso no tonga ireo mpitandro filaminana izay nanao ny fanarahan-dia avy hatrany, niaraka tamin’ireo fokonolona. Very teny an-tsefantsefan-dia teny moa izany fanarahana dian’omby izany ary rava maina sy tsy hita tany nanjavonana intsony ireo olon-dratsy. Na izany aza anefa dia mbola mitohy ny fikarohana azy ireo. Raha ny vaovao farany azo, dia heverina fa nizotra nihazo ny an’Ankaraoka, kaominina Marotsipoy ny dian’izy ireo saingy mbola eo am-pitrandrahana izany ireo zandary.
m.L