Sefo fokontany iray no naratra mafy, voatora-baton’ireo dahalo, omby manodidina ny 20 isa no lasa, tamina fokontany iray tao amin’ny kaomina Marovazaha, distrika Anjozorobe. Fa tao amin’io kaominina io ihany saingy tanana hafa, dia fantatra fa nisy dahalo iray, izay efa rain-dahiny sy efa notadiavina ela no maty voatifitra ka tsy afaka manohy intsony ny asa ratsiny. Samy nitranga ny talata hariva teo avokoa ireo rehetra ireo. Raha ny fampitam-baovao azo avy an-toerana dia miaina anaty tebiteby tanteraka noho ity resaka asan-dahalo ity ireo mponina amin’ity kaominina iray ao Anjozorobe ity. Saika nahenoana fanafihan-dahalo foana mantsy izay tany an-toerana, tao anatin’ny fotoana vitsy izay. Tsy ela akory fa ny talata hariva lasa teo, tao Ambohitsaratany ary io nandratràna sefo fokotany iray io. Am-polony any ho any ireo dahalo no manafika ary mirongo fitaovam-pidiana mahery vaika. Tamin’io indray mitoraka io dia tora-bato sesilany nataon’ireto malaso ireto no nandratra mafy an’ity solontenam-panjakana ity. Lasan’izy ireo ny omby eo amin’ny 20 isa eo, ka ny efatra tamin’izy ireo dia efa nokapainy teny an-dalana. Nanao ny fanarahan-dia moa ny fokonolona sy ny zandary tany an-toerana saingy raha ny fantatra dia efa tafitan’ireto dahalo ireto ny reniranon’i Betsiboka ny omby, ka tsy nisy azo natao intsony. Fa eo anatrehan’izay firongatry ny tsy fandriahampahalemana izay dia fantatra fa manao hetsika manokana ny zandary amin’ny fisafoana tsy tapaka ireo toerana mafana. Tamin’izay indrindra no tojo ity dahalo rain-dahiny, fanta-daza amin’ny asa ratsy ataony sy karohina fatratra izy ireo, tao amin’ny tananan’Ambohimalazabe. Nosamborina ity farany saingy mbola nanohitra sy niezaka ny hitsoaka. Voatery nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ireto zandary ireto, raha ny fanazavàna azo avy tamin’ny tompon’andraikitra, ka maty voatifitra io olon-dratsy io. Mbola mitohy kosa ny fisafoana sy ny fikarohana ireo namany hafa, raha ny fanazavàna azo hatrany.
m.L