Taorian’ilay raharaha nisiana savorovoro tao amin’ny kaomina ambonivohitra Anjozorobe, ny talata lasa teo, dia fantatra izao fa efa milamina tanteraka ny any an-toerana, raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity distrika ity. Nanamafy izany ihany koa ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, izay fototra niavian’ity korontana tany an-toerana ity. « Efa nialatsiny tamin’ny fianakavian’ilay olona voakasik’ity toe-draharaha ity tamin’ny alàlan’ny zandary izahay », raha ny voalazan’ny Kaomandin’ny Kaompania Analamanga eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, izay nidina tany an-toerana, vantany vao nitranga ity raharaha nampisy sakoroka tao an-toerana ity. Natao izy io araka ny fantatra hatrany ho famerenana indray ny fifampitokisana eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka, indrindra fa ireo any ambanivohitra. Etsy andanin’izay ihany koa ho famitranam-pihavanana sy ho fanadiovana ny hasin’ireo fianakaviana ilay olona niharan’iny toe-javatra iny, dia hisy ny fanavaona fomba any amin’ny toerana niaviany, raha ny voalaza hatrany. Nanaiky izany tanteraka ihany koa ireo fianakavian’ity olona marary saina ity. Miantso foana ny olona ho tony sy hilaminana ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao an-toerana. Eny fa na dia eo aza ny toetsain’ny olona sasany izay mitady hanakorontana sy hamadika ity toe-draharaha ity ho zavatra hafa indray.
m.L