- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Hôtely may kilan’ny afo, amina miliara ny fahavoazana

Anjozorobe : Hôtely may kilan’ny afo, amina miliara ny fahavoazana

Lavenona sisa navelan’ny afo, tamin’ny fahamaizan’ny trano lehibe ana hôtely iray tany amin’iny faritra Anjozorobe iny, ny alahady alina lasa teo.

Tokony ho tany amin’ny 9 ora alina tany ho tany no niatomboka ny afo, raha ny voalazan’ireo mponina tany an-toerana. Fotoana ela kosa vao tena voafehy tanteraka izany, raha ny nambaran’izy ireo hatrany. Hôtely iray ao amin’ny fokontany Amboasary an’Ala, kaominina Anjozorobe ity nirehitra, afak’omaly alina ity. Kila hotohoto, tsy nisy noraisina ny trano lehibe iray. Vinavinaina ho tafakatra amina miliara ariary mahery kely any kosa ny totalin’ny fahavoazana raha ny fantatra hatrany. Vao niantomboka ny afo dia efa nanao izay ho afany avokoa ireo fokonolona tany an-toerana, kanefa noho ny hamafin’ny rivotra sy ny akora nanamboarana ireto trano ireto, izay vita amin’ny hazo avokoa, dia nanano sarotra tokoa ny namono ny afo. Tsy tana intsony izany ka nahalasa lavenona ity toeram-pitsangantsanganana ity. Niezaka nifehy ny afo tsy hitatra amin’ireo trano « bungalow » manodidina kosa ny fokonolona teny an-toerana, raha ny vaovao voaray hatrany. Na dia izany aza, tany ho any amin’ny iray ora maraina tany ho any vao tena maty tanteraka ny afo, raha ny loharanom-baovao marim-pototra hatrany. Marihina fa 13km miala ny tampon-tananan’Anjozorobe no misy ity toerana ity ary tany ho any amin’ny 11ora alina tany ho any vao tonga nampilaza ireo manam-pahefana tany an-toerana ireo fokonolona tany an-toerana. Soa ihany koa fa tsy nisy aina nafoy na naratra tamin’izany loza niseho izany. Raha ny voalazan’ireo mpitandro filaminana dia olona efatra, no tao amin’ity toerana ity, izay samy tsy nisy naninona avokoa. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena fototry ny afo raha ny vaovao hatrany. Misy milaza ny sasantsasany tamin’ireo nanatri-maso fa toa hoe afo nampirehetina avy taty ivelany no nahatonga ny loza. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana araka izany ny raharaha.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser