Mitohy hatrany ny fandravana ireo tambajotra mpaka an-keriny, naneho ny lazany tany amin’iny distrikan’Anjozorobe sy ny manodidina iny, ataon’ireo zandary avy eo anivon’ny Vondrontobim-paritra Imerina Central.
Omaly dia nisy ny fifandonana mahery vaika nitranga tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambaribe, ao amin’ny fokontany Soavinarivo, kaominina ambanivohitr’i Mangamila, any amin’ny distrikan’Anjozorobe, teo amin’ireo zandary avy ao amin’io vondron-tobim-paritra io sy ny andian-dahalo nahatratra hatrany amin’ny dimy tany. Ireto farany, izay nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika dia voalaza fa isan’ireo tarik’Itpk Iarisy hatrany, ilay jiolahy rain-dahiny mpaka an-keriny, izay efa maty voatifitry ny zandary volana vitsivitsy lasa izay. Vokany, nisy iray tamin’ireto andian-jiolahy ireo no maty tsy tra-drano, rehefa voatifitr’ireo mpitandro filaminana. Nisy iray tamin’izy ireo kosa azo sambo-belona, tao anatin’izay fifandonana izay. Tafaporitsaka kosa moa ireo naman’izy ireo telo hafa ary mbola manohy ny hazalambo ny zandary. Ankoatra ireo, araka ny fampahafantarana nataon’ny Lehiben’ity vondron-tobim-paritra ity tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy amin’ny birao fiasany, tetsy Ankadilalana, dia nisy olona iray hafa, mpiray tsikombakomba tamin’ireto olon-dratsy ireto voasambotra taorian’ny famotorana ilay azo sambo-belona, teto an-drenivohitra. Iry voalohany, izay fantatra fa mpamatsy « puce » amin’ny finday, hampiasain’ireo jiolahy mpaka an-keriny ireto.
Marihina fa tao anatin’ny hetsika fampandrian-tany, nataon’ireo zandary, nentina hiadiana sy handravana tanteraka izany tambajotra mpanao fakana an-keriny tany an-toerana izany no nahazoan’izy ireo ity vokatra ity. Ankoatra ireo olombelona namoy ny ainy sy ireo voasambotra mantsy dia fantatra fa azo teny am-pelatanan’ireto olon-dratsy ireto ny basy mahery vaika anankiray, Mas 36, niaraka tamin’ny basim-borona miisa roa. Bala am-polony maro teo ihany koa sarona, izay nahitana bala calibre 7,62 mm miisa 10 ary bala calibre 12 miisa 1. Teo amin’ny toerana nisian’ny fifandonana dia nahitana taim-bala miisa 9 ka 7,5 mm miisa 4 ary calibre 12 miisa dimy. Ambonin’ireo, ody gasy milanja teo amin’ny roa kilao teo no azo teny am-pelatanan’ireto olon-dratsy ireto. Ny ody gasy, izay marihina fa fitaovana iray, tompoin’ireto dahalo ireto fatratra, heverin’izy ireo fa maharo azy ireo amin’ny asa ratsy izay ataony. Nogiazana ihany koa tao anatin’izay, ny « puce » am-polony maro, izay fampiasan’izy ireo, azo teny am-pelatanan’ny lehilahy iray, mpiray tendro amin’izy ireo taty an-drenivohitra.
Raha ny fanazavana azo hatrany dia azo lazaina fa niha-nihena, tsy toy ny tamin’ny taon-dasa ity tranga fakana an-keriny ity tany an-toerana sy tany amin’ireo toerana hafa, mpifanila vodirindrina amin’io distrikan’Anjozorobe io, noho ny ezaka nataon’ny teo anivon’ny zandarimaria. Indrindra fa taorian’ny nahafaty ilay jiolahy rain-dahiny, mpampihorohoro ireo faritra ireo. Tsy mijanona hatreto anefa ny ezaka fa mbola hotohizana hatrany, ary tsy hamelana raha tsy ringana hatrany amin’ny fotony izany tambajotra, nampitondra faisana olona maro izany, raha ny filazan’ity manamboninahitra zandary ity hatrany.
m.L