Fifandonan’ny mpitandro filaminana sy fokonolona, andaniny, ary dahalo, ankilany, indroa miantaona no niseho tany amin’ny faritra Anjozorobe. Vokany, dahalo 3 sy olona iray no namoy ny ainy. Basy mahery vaika kalky roa, basim-borona iray ary bala miisa 12 no azoan’ny zandary.
Ny faha-2 aprily, raikitra ny fifndonana teo amin’ny dahalo sy ny miaramilan’ny DAS miasa any an-toerana. Nahery vaika tokoa izany ary nahafatesana roa ireo jiolahy. Nisy olona hafa iray koa maty tamin’io andro io. Ankoatra izany, tratra teny amin’ireo olon-dratsy ny basy kalaky iray sy bala maromaro ry basim-borona iray.
Ny faha-30 aprily, nahazo vaovao indray ny zandary fa misy izany jiolahy malaza ratsy izany mampihorohoro ny mponina. Izy io koa no fantatra, araka ny vaovao, fa lehiben’ny dahalo. Nidina tany amin’ny trano nipetrahany ny zandary. Tsy nanaiky nosamborina mora foana anefa ity bandy ity fa nanohitra. Raikitra ny fifampitifirana ka maty tamin’izany ilay lehiben’ny jiolahy. Tratra teny amin’ny ny basy kalaky iray sy bala.
r.s.