Mila ho isan’andro, ny fanafihana ataon’ireo olon-dratsy, any amin’iny distrikan’ Anjozorobe iny. Ny talata lasa teo indray mantsy, dia fiarabe nitondra entam-barotra sy mpivarotra hizotra hiankandrefana, hihazo an’Ambatomanoina iny ny no lasibatry ny mpanakan-dàlana. Jiolahy nahatratra teo amin’ny 15 teo, nirongo basy mahery vaika sy zava-maranitra isan-karazany no nanafika ity fiarabe ity, teo Andranomangatsiaka, ao amin’ny fokontany Ambohijafy, Analaroa. Araka ny tati-baovao azonay, dia tokony ho tamin’ny sivy ora alina teo ho eo no sendra ity fanafihana ity ilay fiarabe. Nirefodrefotra tamin’io ny basy ary avy hatrany izy rehetra dia nibahana ny làlana. Ity farany, izay marihana fa sady làlan-tany no ratsy, ka tsy afaka nankaiza intsony ilay fiara. Sendra ny be no ho ny vitsy ihany koa ireo olona tao anaty fiara. Ambonin’izay, basy « kalach » sy « Mas 36 » no narantirantin’ireo olon-dratsy ka tsy afa-nanoatra firy ireto niharam-boina. Hany hery, dia nanaiky izay nanaovan’ireo mpanakan-dàlana azy ireo. Vola roa tapitrisa ariary teo ho eo no lasa araka izany, niaraka tamina entam-barotra sarobidy ; izay nokasaina hamidy tany an-toerana, izay tombanana ho an-tapitrisany maromaro ihany koa. Azon’ireo jiolahy ireo dia lasa izy ireo nanao tari-dositra nitsoaka. Soa ihany fa tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy tamin’izany fanafihana nitranga izany. Somary an-kodahoda ihany io toerana, ary sarotra ihany koa ny fifandraisana ka ny ampitson’io vao nisy nampilaza ireo zandary tao amin’ny « poste avancé » tao Antanetibe Anativolo ; izay nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany. Mandry tsy lavo loha tanteraka ireo mponina any amin’iny faritra Avaratry ny Renivohitra iny, tato ho ato izay noho ny firongatr’ity tsy fandriampahelamana ity. Marihana tokoa, fa vao ny omalin’io no niharan’ny fanafihana ny tokantrano vitsivitsy teo Antokonana, amin’iny lalam-pirenena fahatelo iny.
m.L