Mbola mitohy hatrany ! Na dia eo tokoa aza ny fepetra efa noraisin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy, ny amin’ny fisorohana ny fangalarana lakolosy, dia mbola maro ihany ireo fiangonana lasibatra. Anisan’izany ny tany amin’iny faritra Anjozorobe iny. Lakolosy milanja 50 kg indray mantsy no lasan’ny jiolahy tao amin’ny fiangonana protestanta iray tany amin’ny tanàna antsoina hoe Amboasary, ny sabotsy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo, dia tsy lavitra ny toerana misy mpitandro filaminana ity fiangonana ity kanefa dia mbola sahin’ireo olon-dratsy hatrany ny mijoko izany lakolosim-piangonana izany. Fantatra ihany koa anefa tetsy an-danin’izay, fa fiangonana mbola tsy vita tanteraka izy ity, mbola tsy nisy varavarana no mbola tsy misy mpiambina. Kanefa dia efa nipetaka sahady ny lakolosy. Sanatria toa mihantsy sy makafanahy ireo mpangalatra izany. Etsy andanin’izay ary, tsy mitsahatra ny manentana ireo fiangonana isanisany ireo tomponandraikitry ny filaminana, indrindra fa ireo fiangonana kely any ambanivohitra any, mba hampirina amin’ny toerana azo antoka ny lakolosin’izy ireo. Hisorohana ny tranga toy izao. Efa eny am-pelan-tanan’ny zandary moa ity tranga ity. Hatreto tokoa, dia mbola mipetraka ny fanontaniana ny mahakasika ity halatra lakolosy ity. Hanaovana inona ? Ary iza no mpandray azy ?
m.L