- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Lefitry ny Ben’ny tanana maty nisy namono

Anjozorobe : Lefitry ny Ben’ny tanana maty nisy namono

Matory tsy lavo amin’izao fotoana izao ireo mponina any amin’iny faritra Anjozorobe sy ny manodidina iny. Manjaka izay tsy izy ny dahalo. Ary misy ireo mahavita mamono fotsiny tsotr’izao. Toy ity nitranga tany amin’ny kaominina Antanetibe Anativolo ity, izay ny lefitry ny Ben’ny tanana tao an-toerana mihitsy no lasibatra : maty novonoin’ireo tsy mataho-tody. Ny nahagaga ny maro anefa dia tsy nisy voakitika ireo omby tao am-bala tamin’io fotoana io. Antony izay nilazan’ny maro fa mety efa vono olona niniana noketrehana izy ireo. Ny alahady alina teo no niseho ity tranga ity araka ny fampitam-baovao azo. Toy ny fanaony isan’alina dia nivoaka nandeha nisafo ny ombiny tao am-bala ity Ben’ny tanana lefitra ity. Maizina tanteraka ny alina tamin’io fotoana io, ary tsy nampoiziny akory ny fisiana olona efa niandry kendry tohana hamelezana azy. Tsindron’antsy avy hatrany no niantefa teny amin’iny tratrany tamin’io fotoana io. Ary raha nitsoaka nandositra avy hatrany ity na ireo olon-dratsy vao vita nitolefika ilay rangahy. Tsy nisy zavatra nalain’izy ireo akory. Na teo aza ny ratra nahazo azy dia niezaka namonjy ny tranony ilay raim-pianakaviana, manodidina ny 45 taona ity. Samy taitra avokoa ny tao an-trano ary niezaka namonjy ity naratra, saingy tsy nisy azo natao intsony noho ny halalin’ny ratra nahazo azy. Teo moa no nampandrenesina avy hatrany ireo zandary tany an-toerana. Nisy ny fidinana tany an-toerana sy ny fikarohana avy hatrany ireo nahavanon-doza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici