Vono olona feno habibiana indray no nitranga tany amin’iny faritra Anjozorobe iny, ny talata lasa teo. Fatin-dehilahy iray, tapa-doha no hitan’ny fokonolona tao anatina ala kininina teo Ambohimitsinjokely, kaominina Ambongamarina tamin’io fotoana io. Hita tsy lavitra teo amin’ny manodidina ihany ny lohany tapaka. Ary tsy vitan’ny hoe nokapaina tamin’ny antsibe anefa ny lohany fa talohan’izay dia mbola nodarohana sy nototàna tamin’ny vato izy. Filazan’ireo zandary tonga tany an-toerana mantsy dia nahitana diana ratra teo amin’ny fihirifany. Raim-pianakavina manodidina ny 49 taona eo ity lehilahy ity, ary monina etsy Soaniadanana, Sabotsy Namehana, araka ny loharanom-baovao azo. Saika handeha hividy volamena tany amin’iny faritra iny ity lehilahy ity izao hita faty izao. Inoana araka izany fa nisy volabe tany amin’ity lehilahy notapahin-doha ity, ary mety fantatr’ireo nahavanon-doza izany. Tsy nahitana afa-tsy vola 9000 ariary sisa anefa tany aminy, niampy “lampe de poche”. Nomena ny fianakaviana ny razàna taorian’ny fizahana nataon’ireo mpitsabo sy mpitandro filaminana, ary efa nentina niakatra. Ny vaovao avy amin’ireo zandary hatrany no nahafantarana fa hita tsy lavitry ny toerana, namonoan’ireo olon-dratsy an’ity lehilahy ny antsibe nihoson-drà nanapahan-dry zareo ny tendany. Marihana ihany koa, hoy hatrany ny loharanom-baovao akaikin’ity olona hita faty ity fa efa fanaon’ity rangahy ity ny mandeha mividy volamena any amin’io faritra Ambohingamarina io, tanana 30 km avaratra atsinanana, raha miala eo an-tampon-tananan’Anjozorobe.
m.L