- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Lehilahy hita faty tanaty kirihitra

Anjozorobe : Lehilahy hita faty tanaty kirihitra

Lehilahy iray manodidina ny 42 taona no hita faty tanaty kirihitr’ala tao amin’ny fokontany Ambanitsena, ao amin’ny kaominina Antanetibe any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Olona sendra nahita ity zavatra hafahafa tao anaty ala, kilaometatra vitsivitsy mialan’ny tanàna no nampandre haingana ny zandary tany an-toerana. Tonga teny an-toerana ireo tompon’andraikitra ka natao fizahana. Tamin’izany no nahitana fa nisy kika ny lohany ary nivoaka faroratra ny vavany. Azo inoana araka izany fa mety ho aretina no nahafaty ity lehilahy ity. Tsy azo ialàna ihany koa anefa ny hoe mety nisy nanampoizina sy nisy namono. Monina any amin’izany Morafeno, ao amin’ny fokontany Nanjakaina, any amin’ny kaomina Ambohitsehena, distrika Manjakandriana ity lehilahy ity raha ny fampitam-baovao azo. Ary toa niasa taman’olona no nalehany tany amin’io toerana nahitana ny vatana mangatsiakany io. Efa nanokatra ny fanadihadiana moa ireo zandary any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici