- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Lehilahy hita faty tanaty rano nifatotra tongotra aman-tanana

Anjozorobe : Lehilahy hita faty tanaty rano nifatotra tongotra aman-tanana

Notsindriana vato mihitsy ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy iray hita faty tao anaty rano omaly, tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Inoana marimarina fa tsy maintsy nisy namono ity lehilahy ity, ary nariana tao anaty rano ny vatany. Habibiana tsy roa aman-tany …

Hatairana tanteraka ny an’ireo mponina tao amin’ny fokontany Kamanja, kaominina ambonivohitra Anjozorobe omaly, raha nahita ity zavatra nitsingevana toa olona, tao anaty rano. Rehefa notomorina akaiky  nojerena izany dia hita fa olona. Faty olona nifatotra tongotra aman-tanana niniana nalevina tao anaty rano. Notsindriana vato mihitsy moa ny vatan’ity lehilahy ity mba tsy hitsikafona, kanjo dia izao tsy navelan’ny marina tsy hipoitra izao. Raha ny tombatombam-panadihadiana voalohany nataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana dia tsy azo ihodivirana ny vono olona. Nanamarina izany rahateo ny fatotra sy ny fanindriana vato natao taminy. Ny hany tokony ho fantarina dia hoe iza ilay olona ? Marihana fa samy tsy nisy nahalala azy avokoa moa ireo mponina teny an-toerana, raha ny angom-baovao azo. Inona no antony namonoana ity lehilahy ity ary iza no tao ambadik’izany vono olona izany ? Efa eny am-pelatanan’ireo mpiandraikitra izany moa ny raharaha ary efa misokatra ny fanadihadiana any an-toerana ataon’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Anjozorobe.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici