- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Lehilahy iray maty nilatsaham-baratra

Anjozorobe : Lehilahy iray maty nilatsaham-baratra

Namono olona iray indray ny varatra tany amin’iny faritra Anjozorobe iny, ny  talata lasa teo. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona teo ho eo izy io, araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Nikija dia nikija tokoa ny orana ny teto an-drenivohitra ny harivan’ny talata teo. Tsy teto ihany anefa fa tany amin’ireo faritra maro manodidina, izay oram-baratra naharitra adim-pamantaranandro maromaro. Toy ny niseho tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Matetika tokoa efa fahazarana ho an’ireo mponina any an-toerana ny mandre varatra milatsaka rehefa ao anaty fahavaratra toy izao. Any rahateo malaza ho « masiaka varatra ». Tamin’ity indray mitoraka ity dia mpiandry omby, handeha hody no lasibatra, tao Bongatsara, kaominina Ambongamarina. Araka ny fampitam-baovao azo dia iny izy handeha hampiditra ny biby fiompiny iny no nirefotra indray mandeha ny varatra  ary niantefa teny aminy. Tafapitika lavitra ny lehilahy ary naratra mafy vokatr’izany. Noezahin’ireo mponina nentina nahazo toeram-pitsaboana moa fa indrisy fa tsy avotra intsony ny ainy. Vao manomboka tokoa ity ny fotoanan’ny orana dia efa aina telo sahady no nafoy, izay samy nilatsaham-baratra avokoa teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ankoatra ity tany Anjozorobe ity mantsy, dia tsiahivina fa efa nisy mpianaka niara-maty ihany koa tany amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici